airtel

Politique

01-sept-2022

Politique

Dany Rakotoson “Tsy mba mampisy fanantenana ny zava-mitranga”

Sample post image

Mampalahelo foana hatramin’izay ny zava-miseho eto amin’ny firenena, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.

01-sept-2022

Rehefa anaty firenena mahantra toy izao, hoy izy, dia matetika tsy mba misy zavatra mampisy fanantenana na mahasoa hifampiresahana fa mampalahelo foana ohatran’ireny. Ilay fampianarana mihitsy no fototr’izany rehetra izany ary ilay fitondram-panjakana tsy mamaly ny azo atao hoe vahaolana fa manao asa vonjitavan’andro fotsiny na koa hoe “tip top”. Hita foana izany, ohatra, amin’ireo lavaka eny amin’ny arabe. Mitombo foana anefa io ary tsy sanatria izany faniriana fa zava-misy efa iaraha-mahalala. Ohatran’ny hoe fahombiazana be no vitan’ny polisim-pirenena teto amin’ny faritra Antananarivo raha hoe 58 no isan’ny mpanendaka tratra tao anaty alina iray. Amiko henatra izany satria maninona no niandrasana hetsika manokana toy izay fa maninona raha nanomboka tany ifotony dia efa nezahana izay tsy hisian’ilay mpanendaka? Alaivo an’eritreritra hoe isak’alina, nandritry ny herinandro talohan’izay na 1 volana na 1 taona dia fara-fahakeliny izany dia olona miisa 50 no miandry hanendaka teto amin’ny faritanin’Antananarivo dia alaivo an’eritreritra ny olona efa naratra, very fananana, maty. Mbola tafiditra ao anatin’ny hoe fitsinjovana ny ampitso ny atao hoe mitantana izany. Tsy tokony hisy ireny tany Ikongo ireny, ireny famaizana ireny, ireny raiamandreny nanota fady tamina vahiny ireny. Ireny moa no hitantsika fa tadidio fa ny malagasy matetika menamenatra, tsy miteniteny dia manao ahoana izany rehefa zanaka malagasy no tratran’ireny? Endriky ny fisiana fanjakana tsy mahefa izany rehetra izany. Rehefa te hanana vahoaka hendry ny mpitondra dia tokony ho maodely amin’ny fanajana lalana, mahasahy manasazy ary mametraka tsara ny rafitra hivoaran’ny rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap