airtel

Politique

12-juil-2022

Politique

Depiote Fetra Ralambozafimbololona “Tena manahy fipoahana aho !”

Sample post image

Misy fiteny hoe “Ny fitantanana dia fijerena lavitra” na “gouverner c’est prévoir”, hoy ny filohan’ny parlemantera eo anivon’ny antoko politika Tiako i Madagasikara na TIM, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona.

12-juil-2022

Izay no tsy nataon’izao fitondrana izao mihitsy, hoy izy. Nisy fidinany be ny vidin-tsolika iraisampirenena tamin’ny 3 taona lasa nefa tsy nisy fiantraikany tety amin’ireo tobin-tsolika teto Madagasikara. Tonga ary ity ny ady any Ukraine sy izay ambara ho anton’izao fisondrotany tsy azo ihodivirana rehetra izao. Fifaninanana toy ny any amin’ny firenena rehetra ny fiainana ka raha ohatra ianao hoe variana niresaka, nampiesona, nandainga tamin’ny vahoaka nefa rehefa ela ny ela tsy maintsy ho tratry ny aloka. Diso ny filazan’ny sasany fa ny fanirianay dia ho 10.000 Ariary fa irinay mihitsy aza io ho mora vidy be ohatran’ny any Arabia saodita mba hanamora ny fiainam-bahoaka. Tokony efa nalefa niandalana nialoha ny fampiharana ny vidiny tena izy satria efa an-taona maro no niresahana izany. Hisy fiantraikany io izao amin’ny vidin’entana ilaina an-davan’andro, ny saram-pitaterana, vidina kojakoja madinika ilaina amin’ny fiainana an-davan’andro ary tsy hoe rahampitso dia rahampitso fa mety ho afaka herinandro na 1 volana mihitsy. Ilay fanapahan-kevitra mifanaraka amin’izay noraisina tsy misy hatreto. Natao tao anaty lalana mifehy ny tetibola ilay izy fa tsy fantatrao ny antsipiriany. Tsy ny malagasy irery no iharan’io fa matoa ny olona tafavoaka ihany dia satria niomana. Sri Lanka izao firenena mbola ataoko hoe tsaratsara fari-piainana mihoatra antsika. Ny azy ny harinkarena mbola 4%. Ny antsika -7,1%. Reny anefa ny azy no efa nataon’ny vahoaka. Ny antsika efa notapenana vava ny vahoaka. Nampitahorina tamin’ny resaka mpitandro filaminana sy fomba rehetra amina fanagadrana. Tany amin’ny 3 taona lasa tany no efa tokony nampiharina tsikelikely ny vidiny tena izy dia nambara tamin’ny vahoaka ny marina hoe tena nandoavana trosan’ireo mpandraharaha ara-tsolika tokoa ve ilay elanelam-bidy tamin’izany fotoana nidinan’ny barilina 20 Dolara hatramin’ny 8 Dolara izany? Tamin’ny 2006 izao nisy krizin-tsolika fa naninona no voatazona 2000 Ariary raha toa ka tafakatra 150 Dolara ny barilina teo amin’ny tsena iraisampirenena. Na inona na inona atao rehefa manjaka ny tsy fandriampahalemana, tsy misy fepetra mifanaraka amin’ny fidangan’ny vidim-piainana sy fiahiana ara-tsosialin’ny mponina, tsy misy afa-tsy kiantrano an-trano amin’ny vatsy tsinjo sy tosika fameno dia miandry izay ipoahany sisa no azo atao ary manahy fipoahana aho, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap