airtel

Politique

29-janv-2021

Politique

Depiote Hanitra Razafimanantsoa « Vonona hisedra ny zava-drehetra izahay »

Sample post image

Namaly bontana ny fanambaran’ny Praiminisitra naneho fampitandremana ny

29-janv-2021

 

 

 

 

mpanohitra ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa omaly. Raha tsiahivina, nivory tontolo andro ny OMC-National notarihin’ny Lehiben’ny governemanta ny talata 26 janoary teo. Tokony hajaina ny safidim-bahoaka satria avy nandalo fifidianana isika. Tsy ekena ny sehatry ny lalao politika maloto amin’ny alalan’ny fihantsiana, fa indrindra sanatrin’ny vava aladin’ny lela mitetika hanozongozona ny fiandrianam-pirenena, ny filaminana, mba hisian’ny korontana maro isan-karazany, hoy ny Lehiben’ny governamanta Atoa Ntsay Christian. Nampitandrina amin’ny mba tsy hisian’ny fambolena korontana sy ny trangan-javatra mampalahelo, toy ny fanakorontanana sy adim-poko ny Praiminisitra, izay naneho fa tsy azo ekena izany. Mandray andraikitra ny Emmo-National raha izay tokoa no tian’ny sasany hahatongavana, hoy izy, izay azo antoka fa miantefa amin’ny mpanohitra. "Renay fa hoe misy mieritreritra ny hisambotra anay eto amin'ny Miara-manonja. Vonona hisedra ny zava-drehetra izay matoa mijoro sy miteny. Asa sy andraikitry ny depiote ny manao tatitra amin'ny vahoaka. Tsarovy fa fanaovana tatitra no antony nandehanan'ireo depiote 73 (MAPAR sy TIM) teny amin'ny kianjan'ny 13 mey tamin'ny 2018. Avy amin'io hetsika io no naha praiminisitra an'Atoa Ntsay Christian, ka aza manao ririnin-dasa tsy tsaroana ka aty amin'ny 2021, dia lazaina fa manakorontana rehefa maneho hevitra sy mitatitra ny zava-misy", hoy kosa ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa. Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap