airtel

Politique

11-mars-2021

Politique

Depiote Lanto Rakotomanga “Misy minisitra votsavotsa ao anaty governemanta”

Sample post image

Miharihary ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy mpitondra. Taorian’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy naneho,

11-mars-2021

 

 

 

fa tsy faly amin’ny manodidina an-dRajoelina, dia naneho ihany koa ny Depiote Lanto Rakotomanga omaly tao amina fahitalavitra iray, fa misy tsy mahavita azy ao anatin’ny governemanta. “Misy votsavotsa ao anaty gvernemanta ao. Mino aho fa fantatry ny filoha hoe iza no tsy maharaka mihitsy, iza no maharaka ihany ary iza no tena mahavita? Marina fa efa nisy ny tolo-kevitra avy aty amin’ny solombavambahoaka mpomba ny fitondrana, marina fa misy ny votsavotsa ao anaty governemanta, saingy anjaran’ny filohan’ny Repoblika ihany no manapa-kevitra,…”, hoy ny ampahany tamin’ny nambaran’io olom-boafidy io. Tsara ny mampahatsiahy, fa taorian’ny fotoam-pahatsiarovana ny raharaha 07 febroary, dia efa naneho ny Depiote hoe: “manana manam-pahaizana izahay, ary izahay nianatra. Ny fanambaniana anay isan-karazany, dia aoka izay. Omeo toerana ny manam-pahaizana avy aminay rehefa tsy mahavita ny sasany... Izahay miteny, fa izahay tsy faly amin’ny manodidina an-dRajoelina ihany koa. Adinony izahay. Esory daholo ireo manafintohina eo akaikinao ireo; ireo mangalatra sy manao vinany esory any. Nomen’Andriamanitra “occasion” volamena be hanesorana izay tsy mamely, tokony hisaotra an’Andriamanitra isika”. Tato aoriana i Rossy, dia mbola naneho ny fisiana mpanao politika tsy tena sahy mijoro sy misitritsitrika, ka isan’izany ny ao anaty governemanta sasany. Somary malefaka kosa ny an’i Lanto Rakotomanga.

TENA NIADY SY NITOLONA…

 Efa hita taratra hatramin’izay ny fisiana ady mangatsiaka eo amin’ireo mpanao politika mahatsapa ho tena niady sy nitolona niakaran’ny Filoha Rajoelina eo amin’ny toerany. Saika olona namantam-bonona na ilay antsoina hoe sady tsy nitatatra no tsy nively farihy no betsaka, fa toa voahilika ny tena nitolona. Nomena ny teknisianina fa tsy ny politisianina ny ankamaroan’ny toerana, kanefa tsy tena nitondra vahaolana. Hanahirana ny Filoham-pirenena io. Ny mpanohitra efa olana, fa ny mpiara-dia ihany koa tsy takona hafenina ny lonilony.

Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap