ary nitondra ny fanatsarana taorian’ny famakina ny LFI, raha ny tatitra nentiny. Teboka 3 no nitondrany fanamarihana sy fanintsiana, saingy tratry ny be noho vitsy moa. Voalohany, manana ahiahy ny amin’ny masomboly « hybride » satria sao tsy azo ampiasaina amin’ny taona manaraka ka hividy masomboly isan-taona ny tantsaha. Faharoa, tokony ho homena lanja ny fahaiza-manao ifotony amin’ny famokarana masomboly toy ny ao amin’ny FOFIFA izay isan’ny Ivon-toeram-pikarohana momba ny fambolem-bary sy ireo rantsa-mangainga rehetra eo Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana, mba tsy hividy masomboly avy any ivelany ka hamoaka vola vahiny indray satria tena efa ambany ny sandan’ny ariary raha mitaha amin’ny dollars sy Euro. Fahatelo, voarakitra tao amin’ny LFI 2025 ihany koa fa ny Fanjakana foibe no hitaky ny hetran-trano sy hetran-tany, izy toherin ity Depiote ity satria fihemorana amin’ny lafiny « décentralisation budgétaire » na fitsinjarana ara-bola izany kanefa izao fitondrana izao ihany no nanao ny « politique de décentralisation émergente » vao taminin’ny 2021, raha ny fampahatsiahivan’ny Depiote Livasoa Randriatahinamalala. Ny tenany izay tsiahivina fa efa ben’ny tanàna talohan’ny naha depiote azy, ka tsy atoro voanjo hadiana amin’ny fitantanana kaominina, ary mahalala tsara ny lanjan’izany IFPB izany. Nametrahany fanontaniana ihany koa ny fampiakarana ny « transaction mobile money » na ny fifamindram-bola amin’ny finday. Na dia niezaka nitondra soso-kevitra aza ity depiote ity dia lany tsy nisy fanovana ny LFI 2025 satria tratran be noho vitsy tamin’ny alalan’ireo depiote IRMAR sy tsy miankina nananga-tanana nandany ilay lalàna izay toa tsy ny tombotsoam-bahoaka no jerena fa ny tombotsoan’ny mpitondra izay efa tsy mahomby.
Toky R
Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.
Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny
Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana
Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny
An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,
Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo