airtel

Politique

02-mai-2025

DEPIOTE LIVASOA

RANDRIATAHINARIMALALA Nihaino ny hetahetam-bahoaka mialohan’ny hidirana amin’ny fivoriana

Sample post image

Nidina ifotony nihaino ny hetahetam-bahoaka ny Depiote Livasoa Randriatahinarimalala voafidy

02-mai-2025

tany amin’ny distrikan’i Betafo mialohan’ny hidirana amin'ny fivorina ara-potoana voalohan'ny Antenimieram-pirenena amin'ity taona ity, izay hanomboka amin'ny Talata ho avy izao. Hoy ity depiote ity hoe : ny fahefana avy aminareo no nampindraminareo ahy ary entiko hanampiako anareo vahoaka izany. Fintinina anatin’ny hevi-dehibe telo ny hetahetan'ny vahoaka tao an-toerana hotaterina any amin’ny fanjakana foibe mpanatanteraka dia ny tsy fandriampahalemana izay mahatonga ny vahoaka mandry andriran'antsy. Faharoa ny vidin’ny bokin'omby izay tsy maintsy mividy 4 be izao nefa sady lafo no raviny 4 fotsiny ny ao anatin'ny iray. Fahatelo sady farany dia ny tokony hanaovana ny fifidianana sefom-pokontany satria voalazan'ny lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny fanjakana izany. Telo volana aorian’ny fandraisan'ny Ben'ny tanàna ny asany mantsy dia tokony hatao ny fifidianana sefom-pokontany. Nisy moa ny asam-pokonolona famakiana ny lalana tao amin'ny Fokontany Ambatofotsy miazo ny Fokontany Soafierenana Kaominina ambanivohitra Anosiarivo Manapa, Distrikan’i Betafo nataony ka nilazany izany.
Pati
Legende : Nandritra ny fidinana ifotony notanterahin’ity Solombavambahoaka ity !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

hidina any amin'ny Fokontany nihaviany avy

Card image cap
05-juin-2026

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena"

Card image cap
05-juin-2026

mandroso any amin’ny fanavaozana»

Card image cap
04-juin-2026

Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana

Card image cap
04-juin-2026

Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »

Card image cap