airtel

Politique

20-oct-2022

Politique

Depiote Mohamad Ahmad “Na izaho aza efa nampihorohoroan’ireo”

Sample post image

Manao antsoavo amin’ny filoham-pirenena aho, hoy ny filohan’ny kaomisionin’ny loharanon-karena stratejika eo anivon’ny antenimieram-pirenena, ny depiote Mohamad Ahmad, fa maro ny manao tatitra vilana any aminy.

20-oct-2022

Variana manao “business” daholo, hoy izy, ny manodidina ny filoham-pirenena fa tsy misy miaro azy manoloana ireny fanompaompana sy fandrahonana ny fianakaviany ireny mihitsy na ireny fanaratsiana hoe misy volamena ny entany ireny. Rehefa nanao io hetsika amin’ny vato indostrialy io ny tenako, herintaona teo ho eo, dia volamena no nenjehiko toy io. Tonga any amin’ny filohan’ny repoblika ny tatitra dia lasa izao indray no voatonona etsy sy eroa ho manao izany. Navoakako ho hitam-poko, hitam-pirenena fa misy ilay tambazotra. Tsy hiditra amina zavatra ratsy izany solombavambahoaka izany satria tsy mpanatanteraka. Tsy misy olona baikoana. Aoka izay ny fanaratsiana tsotra izao ny solombavambahoaka! Raiso ny andraikitra ry filoham-pirenena! Vonon-kiandry izany lalana momba ny harena an-kibon’ny tany izany mandritra izao fivoriana ara-potoanan’ny antenimieram-pirenena izao ny tenako sy ny vaomiera tarihiko. Tena marary ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ka fotoana tokony handraisana andraikitra izao mba hampidirana ny tombon’izany ao anaty kitapom-bolam-panjakana sy ahafahan’ireo vahoaka mpitrandraka misitraka ny harena an-kibon’ny tany ao aminy eny ifotony. Any ivelany vao tratra ireny entana ireny. mitavozavoza no dikan’izany ny tomponandraikitra eto. Tambazotra io iadiako izao io. Maro izany ny minisitera miara-miasa amin’ireny matoa tafavoaka ireny entana ireny. Na izaho tenako izao aza nampihorohoroan’ireo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap