airtel

Politique

28-juil-2021

Politique

Depiote Rossy “Alamino aloha ny olana anatin’ny IRD”

Sample post image

Niely tao anatin’ny tambajotran-tserasera omaly ny hafatra avy amin’ny Depiote IRD Rahasimanana Paul Bert na Rossy.

28-juil-2021

Miantefa amin’ny Birao politikan’ny IRD eo anatrehan’ny olana sy savororovo anatiny io. “Mila mandray andraikitra ianareo birao politika IRD, fa ny olana politika dia vahàna amin ny politika fa tsy avela handeha “dawara” sy miha lô eo. Andraikitra miandry anareo: mandamina ny olan’ny mpitolona misy mila vanona nefa toa tsisy mihaino ohatra resaka Raholdina sy ny fananan-tany; mandamina ny olan’ny ben’ny tanàna amin’ny olom-boafidy natolotry ny IRD, ohatra Clémence Raharinirina,… ny olan’ny fifandraisan’ny depiote amin’ny ministra mivatravatra. Farany ny resaka Sareraka, tsy izay niresaka tamin ny Madagascar Oil na Ramahatra dia hamono ny prezidà daholo, hoy i Rossy. Manomboka misy tonga saina izany ny olon’ny Fitondrana, fa isan’ny olana sy lesoka ho azy ireo ny lonilony anatiny izay mampisavoritaka ireo samy mpanohana an-dRajoelina, izay hita ho misy akony any amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny toe-draharaham-pirenena.
ENCADRE
Momba an’I Sareraka manokana hatrany, dia isan’ny fanontaniana napetrak’I Rossy ny mahakasika ny maha mbola tsy voaheloka na “presumption d’innocence. Angaha tsy misy sarin’i Sareraka ratsiratsy kokoa noho io gazety manohana fitondrana a? Angaha moa i Sareraka efa voaheloka no atao la Une ohatran’io ny sariny? Hoy ity olom-boafidin’ny IRD ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Ny sabotsy 13 aprily teo tetsy amin’ny Espace Fenitra Merimanjaka no nitondrana am-bavaka sy nanolorana ofisialy

Card image cap
15-avril-2024

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Olympia Ampitatafika ny sabotsy

Card image cap
15-avril-2024

Araka ny efa nampoizina, nilatsaka ambany dia ambany ny isan’ireo kandida mirotsaka hofidiana ho

Card image cap
15-avril-2024

Dosiem-pifidianana isan’ny miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny an-dRtoa Voahirana Rajoelina.

Card image cap
15-avril-2024

Tontosa ny faran’ny herinandro teo teny amin'ny Kaominina Ambohitrabiby ny fivoriana fanao

Card image cap
15-avril-2024

Voatolotra ho an'ny vahoakan'i Miadanandriana ny sabotsy lasa teo ireo solosaina ho fampitaovana

Card image cap