airtel

Politique

20-août-2021

Politique

Depiote Todisoa - TIM “Disadisa no nisy fa tsy fisaraham-bazana”

Sample post image

Ao anatin’ilay antsoina hoe “rédynamisation” ny antoko TIM amin’izao fotoana izao, ka isan’ny hanaovana izany ireo Boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra,

20-août-2021

ka omaly dia ny Boriborintany faha-6 no nanaovana izany nisiana hetsika teny Ambohidahy Ambohimanarina. Miaiky ny TIM fa nisy ny disadisa, saingy tsy midika fisaraham-bazana, ary misy ny fifandaminana. “Sahala amin’ny mpivady hoe ao an-tokantrano dia misy ny fifamaliana kely, sahala amin’ny antoko rehetra ihany toy ny IRD, HVM, MMM fa ao anatin’ny TIM dia antoko lehibe sy matanjaka, ary misy foana ny fifampidinihana amin’ny TIM, ary hamafisiko fa miray hina ny TIM, hitantsika amin’izao fa ferana fotsiny ny olona hoe 400, izay tena maneho ny heriny, hoy ny depiote TIM eny amin’ny Boriborintany faha-6 Atoa Todisoa Andriamampandry, raha ny hita tamin’ny haino aman-jery omaly. Saika nisintaka tao anatin’ny antoko ireo mpikatroka tsy tafaverina ho kandidan’ny TIM. Nisy ihany koa ireo mpikatroka tao anatin’ny antoko izay niara-dàlana tamin’ny fitondrana tetezamita,… “Efa nisy dingana fifanantonana tamin’ireny olona ireny. Misy olona efa nisintaka efa ela fa efa hitanao izy, ary mahavelom-bolo izany ao anatin’ny “rédynamisation”, izay olona tao hatramin’izay ka marisarisa dia haverina. Ireo olona misy fitondran-tena kely amin’ny maha olombelona dia nanantonana hoe mba olombelona izy, fa tokony hanitsy. Ny TIM dia an’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka, ary miady ny tombotsoan’ny vahoaka. Amin’ny maha antoko azy, dia manana vinam-piarahamonina, ary ny tanjona dia halain’ny TIM sy ny rafitra TIM daholo ny fifidianana manaraka eo manomboka any amin’ny fokontany, lehiben’ny faritra,… dia halain’ny TIM daholo satria iaraha-mahalala ny zavatra tsy mety amin’izao”, hoy io depiote io. Mety hiverina ho iray ihany koa ve ny fandaharana miara-manonja izay mizara roa amin’izao fotoana izao ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap