airtel

Politique

06-sept-2021

Politique

Depioten’i Fandriana Manampatrampatra ao anaty tambazotran-tserasera

Sample post image

Mba hilazana azy amin’ilay fomba fiteny mahazatra antsika Malagasy hoe mahay vava dia hita ho mitohy manampatrampatra ao anaty tambazotran-tserasera hatrany ny depioten’I Fandriana,

06-sept-2021

 Ny Aina Dina Rakotomalala. Mampametra-panontaniana mihitsy aza hoe izy ve no mitondra ity kaonty Facebookny ity sa olon-kafa? Vao andro vitsy lasa izay no nisy ilay fifamaliana niseho tamina governora iray sy depiote namany hafa nitranga tao anatin’ity tambazotran-tserasera ity dia izao niseho ny sabotsy teo izao indray. Werawera tsy maintsy mandeha, hoy ny mpaneho hevitra iray mantsy azy, fa ilay fampanantenana ny fanamboarana ny lalana Ikelikapona – Fandriana toa Ambatobevohoka. Mampahatsiahy ramatoa voafidim-bahoaka, maro ny feon’ny vahoaka ao Fandriana, hoy hatrany ity mpaneho hevitra ity. Akapohy amin’ny vato ny loha, hoy ny navalin-dramatoa solombavambahoaka, raha tsy faly amin’ilay werawera ianao fa io tsy maintsy mandeha. Ny feo, hoy izy, tsy maintsy misy ary aza adino fa tsy banga akory ny atidohako. Mazava? Mampametra-panontaniana ihany hoe tokony ho fomba famalina olom-boafidim-bahoaka na raiamandreny eto amin’ny firenena ve ny valinteny toy izany ? Tena voatery novaliana ihany koa ve ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap