airtel

Politique

09-mai-2022

Politique

Diabe politika Efa azo atao tsara ny fidinana an-dalam-be ?

Sample post image

Mazava ny sary niseho tany Antsiranana ny faran’ny herinandro teo, fa efa malalaka sy azo atao tsara ny diabe ara-politika eny an-dalam-be.

09-mai-2022

Malalaka hanao izany ny vondrona sy vovonana ara-politika, raha tena mitovy ny tsirairay eo anatrehan’ny fisitrahana zo ara-politika sy ny lalàna. Nomena alalana mazava ny TGV tany Antsiranana nandritra ny fanehoan-kery ara-politika nataony, ary tokony ho lasa didy fakan-tahaka na “jurisprudence” ny fahafahana manao izany ho an’ny antoko rehetra. Na zava-nisy hatramin’izay mantsy, vao tsy ela akory fa nialohan’io an’ny volomboasary io tany Antsiranana, dia nohetraketrahina ny TIM tamin’ny fameloma-maso nataony, eny fa hatramin’ny fanadiovana tanàna aza mbola narahin’ny mpitandro filaminana maso. Moa tsy samy fameloma-maso ny antokony ve no nataon’ny TIM sy ny TGV tany Antsiranana? Nanome lesona ho an’ny rehetra ny volomboasary, ka ny lojika dia halalaka amin’izay ny fahafahan’ny antoko politika rehetra manao diabe mandritra ny fameloma-maso ny antokony, raha tsy misy tokoa ny mizana tsindrian’ila sy ny hakanosana ara-politika. Ny hita eto mantsy, dia lazaina hetsika tsy nahazoana alalana sy sokajiana ho fikasana hanongam-panjakana foana rehefa ny eo amin’ny fanoherana no manao hetsika sy mamory ny mpanohana azy. Toa tahaka ilay resaka haino aman-jery ihany io hoe: tiana hokantsanana tsy halefa manerana ny faritra, dia lazaina fa nandika lalàna sy nanakorontana. Raha ny lojika, ilay orinasa sy haino aman-jery mihitsy no nakatona na naato fa tsy fandehanany hositrahan’ny any amin’ny faritra, saingy hafahafa mihitsy ilay politika eto. Ny ankilany ihany koa moa toa manaiky lembenana hatrany ka dia manao izay danin’ny kibony ny andaniny.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap