airtel

Politique

11-juin-2025

Dila ny fe-potoana herinandro

Fa inona no tena marina amin'i kolonely Patrick !?

Sample post image

Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

11-juin-2025

fa manome herinandro ho an’ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga mivady mba hitolo-batana any amin’ny mpitandro ny filaminana, fa tsy mbola nisy fiovan-javatra aloha. Herinandro katroka ny 06 jona lasa teo no nilazany fa efa nanomboka ny « opération Mamy Ravatomanga », izay nanehoany, fa betsaka ireo olona miara-miasa sy manome vaovao azy, betsaka vahoaka izay masolavitra ho azy. « Omeko herinandro ianareo, mandehana eny amin’ny DPJ eny amin’ny Toby Ratsimandrava, fa na handeha blindé erak’Antananarivo sy erak’i Madagasikara aza ianareo tsy olana aminay, ary efa hitako ihany koa ilay fanamboarana « blindé » an’ny fiaranao ao Ambohidratrimo », hoy ity kolonely ity. Betsaka, hoy izy, ny zavatra fantany sy tonga any aminy. Nanamafy ny tsy fihemorany sy nampiomana ka hijery ny tantara mikasika ny «Mr et Mme Balkany » izay tsy nisy nanana tahaka azy fa tany am-pigadrana no niafarany. Nilaza fa tena hahita ity mpandraharaha ity. « Raiso ny andraikitrao, atolory anay i Mamy Ravatomanga sy ny mpiray tsikombakomba aminy. Ampy izay ! Maty ny vahoaka ! Maimbo ra ny vahoaka ! Betsaka ny zandary sy miaramila maimbo ra any anaty lakazerina any. Mbola averiko ry vahoaka, ary misaotra anareo efa manampy ahy, andao amboarina ny firenentsika. Tsy misy matahotra volabe eto, tsy misy matahotra ampitahorina eto,… », hoy hatrany ity Kolonely ity. » Nisy mihitsy karazana toromarika ara-miaramila hanamafy ny fanaraha-maso, haka sary ny ireo vahiny mpiambina,... Ankoatra ity mpandraharaha ity, dia nanao teny maneho fampitandremana ny karana izay nolazainy fa anisan’ny mpanana petra-bola ao amin’ny Jirama sy tompon’antoka eo anatrehan’ny olana ara-tsosialy ateraky ny delestazy. Niantefa ihany koa tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny filazana fa « efa maro ny vahoaka maimbo ra, efa maro ny foloalindahy maimbo ra, ka miteny aminao am-panajana aho hoe : vahao ity olana ity. Tsy olona iray anaty 30 tapitrisa no atahorana eto ».
HAFAHAFA…
Dila ny herinandro, tsy nisy zavatra niova ka mampametra-panontaniana hoe : inona indray izany ny hambaran’io manamboninahitra izay lasa nitsoaka any ivelan’ny Firenena io ? Sa namela ny rehetra hiatrika ny fetin’ny pantekoty tamin-kahalalahana aloha ? Tena hanao zavatra sy hisy zavatra hipoaka eto sa karazana vono lolo sy fampihorohoroana ara-politika ihany no nitranga? Manomboka mametra-panontaniana ny mpanara-baovao hoe : tena izy sa sinema no mitranga ? Sao sanatria nentina nandrirarirana saim-bahoaka manoloana ny olana samihafa toy ny delestazy sy ny afera Base Toiliara ? Iza no ao ambadik’ity manamboninahitra izay manenjika mafy ny mpandraharaha akaiky ny fitondrana fa tsy manakiana na mitsikera ny Fanjakana amin’ny ankampobeny ity ? Andaniny ihany koa anefa, anisan’ny mafy amin’ny resaka fanaraha-maso sy fitsikolovana na « renseignement » ny Fanjakana saingy tsy mbola nisy aloha hatreto olona re fa nosamborina noho ny fiahiahiana azy ho mpiray tsikombakomba amin’ny Kolonely Patrick. Manamafy fa misy tena manosika azy hanapoaka zavatra ? Tena manana miaramila maro sy mpanome vaovao ao an-damosiny ? Raha nisy ilay fahavotsorana, dia teny nataon’ny Filoham-pirenena fa olona tazonina ve ho votsotra, ary tokony hisy fepetra ho an’ireo nanao tsirambina,… saingy nijanona teo amin’ny fanalana ny DPJ teo anivon’ny zandarimariampirenena. Hisy zavatra hitranga ve ato ho ato mialohan’ny fetim-pirenena sa ho tahaka ilay fomba firesaky ny mpanohitra ihany hoe : tsy hanaiky hatramin’ny farany fa avy eo manaiky ihany?
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap