airtel

Politique

20-oct-2022

Politique

Diplaomasia Hakaton’i Norvezy ny ambasadiny eto

Sample post image

Mibahana amin’ny vaovao tato anatin’ny herinandro teo izay ny resaka fifandraisana iraisam-pirenena anatin’izany ny diplaomasia,

20-oct-2022

izay niafara tamin’ny fanesorana tamin’ny toerany ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy Randriamandrato Richard. Noho ity farany nampangaina ho nanapa-kevitra samirery namatotra an’i Madagasikara manameloka an’i Rosia manoloana ny raharaha any Okraina, nandritra ny latsa-bato tao amin’ny Firenena Mikambana ny 12 oktobra 2022. Fanapahan-kevitra izay nankasitrahan’i Etazonia, tamin’ny alalan’ny masovoivohony eto Madagasikara. Etsy ankilany, dia re koa izao fa hakaton’i Norvezy ny ambasadiny eto Madagasikara. Araka ny loharanom-baovao dia efa nampahafantatra an-taratasy ny raharaham-bahiny etsy Anosy momba izany ry zareo Norveziana tamin’ny volana septambra lasa iny, ka hatramin’ny tapaky ny taona 2023 farafahatarany io fikatonana io. Ara-tantara dia hatrany amin’ny taona 1866 ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Norvezy, nisian’ireo misionera tonga teto. Maro ny sehatra niarahan’ny firenena roa tonta niasa, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fampianarana sy fanabeazana, ny ady amin’ny kolikoly, ny fanjakana tsara tantana, ny fiompiana sy fambolena nisian’ny FIFAMANOR tao Antsirabe, ireo tetikasa niarahana tamin’ny NORAD (Agence norvégienne de coopération au développement). Nanao tantsoroka tamin’ny fametrahana ny Bianco, Samifin, CLCC lasa CSI… ny governemanta Norveziana tamin’ny fitondrana Marc Ravalomanana. Heverin’ny mpandinika fa noho ny firongatry ny kolikoly sy gaboraraka eto amin’ny firenena no ambadik’izao fanapahan-kevitry Norvezy handao an’i Madagasikara izao. Re ihany anefa fa misy fanangonan-tsonia mandeha any ambadimbadika any handresen-dahatra ny governemanta norveziana mba hiverina amin’ny fanapahan-keviny.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap