airtel

Politique

27-juil-2022

Politique

Diplaomasia, raharaham-panjakana Mampisavorovoro ny resaky ny samy manampahefana

Sample post image

Namoaka fampitam-baovao ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly 26 jolay 2022, nilaza fa tsy nisy mihitsy ny fotoana nanaovan’ny Minisitra Atoa Richard Randriamandranto tamin’ny filazam- baovao

27-juil-2022

RFI (Radio France International), « interview » na fanadihadiana taminy na teny nataony, izay noraisin’ny mpanao gazetin’ny Al-watwan ao Comores Mchangama Oubeidilah, nampifandraisiny tamin’ny fanadihadiana nataony tamin’ny Mpitondra tenin’ny governemanta Kaomorianina. «… Moroni condamne avec force les propos du Minisitre Malgache des Affaires étrangères, publiés sur RFI », hoy ny Al-watwan. Mikasika ny fametrahana an’I Kaomoro ho lisitra mena amin’ny sidina miditra sy mivoaka an’I Madagasikara io. Nodisoan’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny fa tsy niteny sy niresaka an’io ny Minisitra, ary notondroin’ny fiadidian’ny diplaomasia Malagasy ho fanodinkodinam-baovao na vaovao diso, izay mety hanohintohina ny fifandraisana ara-diplaomatika eo amin’ny tany roa tonta moa io, ka tonga hatrany amin’ny hoe : hitory araka ny lalàna manan-kery. Raha ny lahatsoratra niparitaka, ny Minisitry ny fitaterana no hita ao anatin’ny Al-watwan izany hoe: mety nisy ny fanitsiana nataony. Tsy niandry ela ihany koa ny RFI tetsy ankilany, namoaka sy nampahatsiahy, fa ny Minisitry ny fitaterana Atoa Rolland Ranjatoelina no nanaovan’izy ireo fanadihadiana. Naneho ny Minisitry ny fitaterana Atoa Rolland Ranjatoelina fa « Ny « lignes vertes » no tsy mametraka olana amin’ny lafiny fitaterana, indrindra fa ny fanondranana volamena. Ankehitriny, i Comores dia mbola ao anatin’ny « ligne rouge»,… », raha ny voasoratry ny RFI. Raha ny tena marina izany, dia nisy tokoa ilay teny nataon’ny manam-pahefana Malagasy, saingy tsy ny minisitry ny raharaham-bahiny no niteny azy, fa ny minisitry ny fitaterana. Marina fa fiandrianam-pirenena no resaka kanefa tsy azo nalamina tamin’ny alalan’ny fandisoam-baovao na « démenti » ve mba tsy niitarany lavitra be tahaka izao ?
MIKORONTANA
Ny olana tamin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny, dia zavatra tsy noteneniny no nambara noteneniny, kanefa nambara fa manohintohina ny fifandraisana ara-diplaomatika. Raha ny Minisitry ny fitaterana ve no niteny an’ilay izy dia tsy nisy ny olana ara-diplaomatika ? Tsy afaka nanamarina izay tena nosoratan’ny RFI ve ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny mba tsy hiononana fotsiny amin’ny voalazan’ny Al-watwan ? Tsy nisy ihany koa ve ny fifampiresahana eo amin’ny samy mpikamban’ny governemanta amin’ny resaka saropady mety misy ho akony amin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta sy ny fiandrianam-pirenena ? Midika sy mihariharihary, fa mandringa sy mikorontana ny fitantanan-draharaham-panjakana, izay matetika hisehoana tsy fanjariana. Etsy andaniny, tsikaritra ho mahery vaika ny tsikera ataon’ny fampahalalam-baovao Frantsay ny fitondrana Malagasy, izay heverina fa misy antony ara-politika sy ara-diplaomatika, ary mety misy fampijabahana mihitsy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap