airtel

Politique

17-janv-2022

Politique

Disadisa ara-bola tamina vahiny Maty voatsatoka antsy i Junnot UEM

Sample post image

Mpitarika ny UEM Maty nisy namono noho ny disadisa nisy taminy sy tamin'ny teratany vahiny iray izay nananany trosa i Junnot Ramananarivo, zanaky ny faritanin'i Mahajanga, tanora isany manam-pahaizana ary Sekretera

17-janv-2022

 Jeneraly ny Fikambanana UEM (Union Emergence Madagascar) izay anisan'ny mpanohana ny fitondrana ankehitriny, hoy ny fampitam-baovao omaly hariva. Voalaza fa nifanome fotoana teo Ivandry izy sy ilay teratany vahiny omaly alahady 16 janoary teo Ivandry tokony ho tamin'ny 5 Ora sy sasany hariva teo ho eo. Rehefa nihaona iny dia avy hatrany notsatohan'ilay vazaha tamin'ny antsy teo amin'ny fon'ity tanora zanaka Sofia ity ka maty tsy tra-drano. Raharaha ara-bola mombana lavanila no voalaza fa fositry ny olana, hoy ny vaovao vonjimaika. Efa voasambotry ny polisy avy eo anivon'ny"brigade criminelle" ilay teratany vahiny nahavanon-doza ary efa mandeha ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Voalaza fa mavitrika eo amin'ny fitondrana ny rivo-baovao amin'ny lafin'ny ara-politika sy fampandrosoana amin'ny faritanin'ny Mahajanga ity tanora vao erotrerony namoy ny ainy ity. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap