airtel

Politique

13-oct-2021

Politique

Dr Barson Andriambololona – HCDDED “Tsy maneho demokrasia izany kandida tokana izany”

Sample post image

Anisan’ny mahatonga ny korontana misy eo anivon’ny tontolon’ny fanaovan-gazety eto Madagasikara, hoy ny talen’ny kabinetran’ny filankevitra ambony momba ny demokrasia sy ny tany tan-dalana na HCDDED eto amintsika

13-oct-2021

, ny Dr Barson Andriambololona, ny tafiditry ny politika loatra ny olafitr’io sehatra io eto Madagasikara. Tsara ny manao politika, hoy izy, fa tsy politika ifandroritana. Ianareo isan’ny fitaovana ilain’ny mpanao politika handresena lahatra vahoaka. Ny olona miady amin’ny mpanao gazety faran’ny olona adala raha hanao politika eran’izao tontolo izao. Aza miady amin’ny mpanao gazety! Tsy miteny izany hoe izay tianareo mpanao gazety atao atao eto amin’ny tany sy fanjakana fa ny miady be fahatany amin’ny mpanao gazety no tsy fanao. Ireo no mifehy ny tontolon’ny serasera ankapobeny. Ianao raha miady amin’ny mpanao gazety dia mamono tena. Ireo ao anatin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety nefa diso miankin-doha be loatra amin’ny politika. Sintoninay mpanao politika dia lasa izy no rava. Misy tady be dia be mifanenjana ao. Raha hanangana holafitra dia ampirimo aloha ny loko politika fa ilay fanaovan-gazety akarina avo amin’ny toerana tokony hisy azy. Tafatsangana amin’ny toerana tokony hisy azy ilay holafitra dia afaka manao politika toy ny olompirenena rehetra avy eo ianareo. Sambany no nisy fifidianana, hatramin’ny nahafantarako azy, hoe tokana ny kandidan’ny mpanao gazety. Raha jerena ivelany io dia tena mahay miara-miasa ianareo satria tafitanareo ny fifanarahana rehetra ao anatiny dia hoe aleo ity no kandida. Tsara izany! Amin’ny lafiny iray maha HCDDED anay anefa dia tsy maneho ny demokrasia izany kandida tokana izany. Misy sakantsakana eo amin’ny lalana mifehy ny fifidianana ve na ny lalana mifehy ny filantsahan-kofidiana no nahatonga ny kandida tokana? Io olona iray io ihany ve no mahavita azy amin’ny lafiny pitsopitsony na “critère” ahafahana milatsaka? Ahoana marina ny fanaovan-gazety eto Madagasikara? Raha asa io dia tokony hisy sekoly ivoahana amin’izany satria tsy ho mpitsara na mpisolovava ianao raha tsy nivoaka tamin’ny sekoly ambony lalana. Tsy ho dokotera mpitsabo raha tsy nivoaka tamina sekoly ambony momba izany. Fa maninona no ialohavan’ny ministeran’ny serasera ny OJM nefa tokony hahaleo tena, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap