Teo no nanaovana ny hetsika nananan’ny TIM finoana taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 fa tsy maintsy ho tafaverina an-tanindrazana i Marc Ravalomanana, ary antenain’izy ireo fa mbola ho tafaverina an-tanindrazana, ka isan’ireo nitarika sy nanao fanentanana teny an-toerana ry Dr Ignace Randriamamizafy tamin’ny fotoan’androny. Ho an’ny TIM manokana izay, fa ho an’ny raharaham-pirenena sy ny politika, niaingan’ny fampihavanam-pirenena tsy nilàna ny Filankevi-pirenena momba ny fampihavanana Malagasy (CFM) teo amin’ity kianjan’ny Finoana ity, hoy izy. Teo no nihavanan’ny TIM sy ny Arema voalohany taorian’ny raharaha 2002 rehefa nisy ny hetsika taorian’ny 2009 ary nikabary teny Arema. Teo no niombonan’ny TIM sy ny Arema ary ny UNDD tamin’ny alalan’ny “Trois mouvances”, ny UNDD (Union Nationale pour le Développement et la Démocratie) notarihin’ny Pr Zafy Albert tamin’izany izay nanohitra mafy ny Fitondrana Ravalomanana fony ity farany teo amin’ny fitondrana. Taty aoriana dia nifanantona sy namitram-pihavanana izy mirahalahy mianaka, talohan’ny fahalasan’ny Pr Zafy, ary ireo olona niara-dia tamin’ity farany aza dia misy ao anatin’ny RMDM. Iny indray ny sabotsy 02 jolay 2022 teo, fa namitram-pihavanana ofisialy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny antoko HVM tamin’ny alalan’ny Mpandrindra Nasionaliny Rivo Rakotovao, hoy hatrany i Dr Ignace Randriamamizafy. Aminy, manana ny hasiny manokana ary masina ny Kianjan’ny Magro izay niaingan’ny fampihavanana izay na ny CFM aza mbola tsy nahavita tahaka ny zavatra niseho teo, raha ny politika no jerena.
Toky R
Hafahafa hatrany ny politikam-pitantanana asehon’ny Fanjakana Rajoelina. Miankina amin’ny tombotsoa politika ny laharam-pahamehana,
Sarotra ny miresaka amin’izao fotoana izao, hoy ny filohan’ny fikambanana Vahaolana anio sy rahampitso, Jerry Rakotoarijaona,
Diso tanteraka ny hoe: hanongam-panjakana ny mpanohitra raha mamory vahoaka etsy amin’ny Kianjan’ny Magro, ary tsy hisy Fanjakana hiongana amin’ny resaka kabary fotsiny izany satria maneho ny heviny sy ny fahitany ny
Ny vovonan’ny tanora mpitolona tia tanindrazana na JPRM dia tena manara-baovao ary mijery sy miaina ny raharaham-pirenena misy eto Madagasikara, hoy ny mpikambana ao aminy, Rivellino Ravelomahazo.
Mihasarotra hatrany ny toeran’ny Fitondrana Malagasy na ho an’ny politika anatiny na ny ivelany. Ny ato anatiny, ambony ambany, tsy misy politikam-pitantanana anatiny tsy mazava,
Manana ny fahaiza-manaony sy ny nampiavaka azy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, manana ny tantaram-pahombiazana ara-piainana na “success story” izay nideran’ny maro azy izy,