airtel

Politique

08-juil-2021

Politique

Dr Jean Louis Rakotoamboa “Tsy maintsy hiverina ny fihibohana”

Sample post image

Ny fahazoana dolara dia ny fanondranana any ivelany miampy ny fanampiana ara-bola, hoy ny mpanao politika sady mpahay fanafody na “pharmacologue”, Dr Jean Louis Rakotoamboa.

08-juil-2021

 Lodsia no aondrantsika dia resaka lavanilina sy ny amin’ny orinasa afakaba angamba, hoy izy. Nijotso ny vidin’ny lavanilina. Ny letchi no mba nisy kely dia tsy ampy ilay dolara ividianantsika solika any ivelany fa tsy maintsy ho kelikely. Izay zavatra izay no hitotonganan’ny volantsika indray satria ifandrombahana ilay dolara ahafahana mividy solika dia rehefa mitotongana ny volantsika dia miakatra ny vidin’entana eto. Tsy dia mankaiza ny famokarana vary sy hanin-kohanina eto nefa etsy an-daniny ny zavatra vidiantsika any ivelany ilantsika dolara saingy isika tsy nampiditra dolara akory. Asa izay hiatrehan’ny fitondram-panjakana izany fa tsy maintsy mbola hisy koa ny fiverenan’ny fihibohana fanampin’izay. Raha fongana tanteraka ny aretina na vita vakisiny daholo ny olona vao mety hihena ny fiparitahan’ny aretina. Mihisatra be anefa ny fanaovam-bakisiny eto ka tsy maintsy hanitatra ny aretina ireo tsy vita vakisiny ireo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap