airtel

Politique

14-mai-2024

Dr Rabe Landry Olivier

« Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena, mila fahendrena ny diplaomasia»

Sample post image

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

14-mai-2024

eo amin’ny firenena roa na maromaro. Aza adino, fa tsy azo afangaro ny fifandraisana eo amin’ny firenena samy firenena na ny firenena sy vondrona firenena sy ny famatsiam-bola. Isika mpikambana amin’ny FMI, kanefa tsy azo adino fa misy fifandraisana ny FMI sy ny Banky iraisam-pirenena izay mamatsy vola ny resaka fampandrosoana. Amin’ny maha banky azy dia manana ny fepetrany izy. Noho izany, aza adino fa Rtoa Isabelle Delattre dia solontenan’ny Vondron’ny firenena Eoropeaninina, ka tsy afaka hiteny mihitsy ny zavatra tsy tapaka tao anatin’ny Vondrona Eoropeanina. Rehefa ohatra izany ianao manao fitenenana na mamely na tsy mankasitraka ny tenin’ilay Ramatoa, dia tsy mankasitraka ny Vondrona Eoropeanina, hoy i Dr Rabe Landry Olivier Mpahay toekarena, raha nivahiny tao amin’ny Top Radio 102.8 FM omaly 13 mey. Notsipihiny anefa fa manana ny maha izy azy ny Firenena Malagasy, manana ny fiandrianina, manana ny fenitra ara-diplaomatikantsika isika Malagasy. Nambarany fa mila manana fitsipika mazava amin’ny diplaomasia izay apetratsika eto ihany koa anefa isika. Eo ohatra ny firesahana diplaomasia izay mitodika amin’ny ara-toekarena, kanefa ny tsy azo adino dia ny mpandoa hetra any amin’ny Firenena Eoropeanina na firenen-dehibe mampindram-bola no mandoa an’ireny vola ampindraminy ireny. Vokatr’izay dia sarotiny izy amin’ny alalan’ny ambasadaorony. Nomarihin’ny Dr Rabe Landry Olivier noho izany eo amin’ilay resaka fiandrianam-pirenena fa isika no mahalala izay hampiasana ny vola, ka raha sanatria misy hitany fa tsy mandeha amin’ny làlany dia tena manan-jo hiditra izy. Ohatran’ny fifanarahana rehetra ihany, ka mila fahendrena, mila fitonian-tsaina ny fampiharana ny lalan-jotra diplaomatika, ka tsy dia tsara ny miteniteny be loatra. Aleo mifehy vava, aleo misy adino dia harenina, toy izay misy vava latsaka, hoy izy, izay nanipika hatrany na izany aza fa manana ny fiandrianany ny firenena. Eo anatrehan’ny fampihen’ny Fanjakana ny vola ampiasain’ny Minisitera tsirairay na « coupe budgétaire », notsoriny fa ara-toekarena dia mandalo fotoan-tsarotra ny firenena, ary tsy tokony hohadinoina fa ampahany betsaka amin’ny famatsiam-bola hanodinana ny raharaham-panjakana dia tohana ara-bola. Misy ihany koa ireo fepetra, ka noresahany dia ny « vérité de prix » na fampiharana ny vidiny tena izy izay misy fiantraikany amin’ny vidin-jiro sy rano, amin’ny solika,... Isika anefa izao tazotazonina amin’ny « subvention » mba tsy hiakarany. Stratejika be ny tsindry avy any ivelany, ary misy fiantraikany amin’ny firenena. Amin’ny endriny iray dia misy ezaka hitazona an’io, izay mampifanenjana ny Fanjakana sy ny mpamatsy solika. Lasa ifanolanana ohatra ny fahapotehan’ny làlana. Fifampiresahana ara-politika sy ara-tsosialy ihany no vahaolana, hoy i Dr Rabe Landry.
Toky R


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap