airtel

Politique

08-mars-2021

Politique

“Drône” nalefa teny amin’ny Magro Nisy fahazoan-dàlana avy amin’ny ACM ve ?

Sample post image

Sazy an-tranomaizina 5 hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina ny fandefasana ireny “drone”

08-mars-2021

 

 

 na karazana fitaovana misidina ireny tsy misy fahazoan-dàlana ivelan’ny faritra mikatona na “espace fermé”, araka ny ny andininy L.7.1.1-6 amin’ny lalàna N°2015-006 tamin’ny 12 febroary 2015. Mbola miampy lamandy 1 000 000 hatramin’ny 20 000 000Ar io. Natao io mba hitandroana ny filaminan’ny olom-pirenena. Ny Tale Jeneralin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) ihany no afaka manome fahazoan-dàlana amin’ny fampiasana “drones”. 5 andro mialohan’ny daty hampiasana azy no tokony hamenoana ny dosie ahafahana mahazo fahazoan-dàlana. Voarakitra ao anatin’ny fahazoan-dàlana ny fepetra rehetra amin’ny fampiasana io karazana fiaramanidina kely, afaka maka sary, afaka maka horonan-tsary, afaka mitondra zavatra hafa, toy ny baomba,… Nisy ny fampiasana io fitaovana io nandritra ny famoriam-bahoaka nataon’ny Solombavambahoaka TIM teny amin’ny Magoro Tanjombato. Mazava fa toerana tsy miankina eny amin’ny Magro, ary tsy azo natao iny sidina iny raha tsy misy ahazoan-dàlana mazava. Nisy alàlana avy amin’ny ACM ve? Fanaraha-mason’ny tafika ve ? Iza marina no nandefa azy? Nampiasaina sy navoaka teny amin’ny tambajotran-tserasera ny sary azo avy eo, izay niainga avy amin’ireo pejy sy kaonty mpanohana fitondrana. Natao ho an’iza marina ny lalàna sa izay ilay hoe izahay izao ny eto dia izay tianay io na manohintohina ny fiainan’ny hafa sy mety ho loza mitatao ho an’ny hafa aza?

Toky R

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap
19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap