airtel

Politique

21-juil-2022

Politique

Durlin Retogniane “Loza raha sanatria hitohy aorian’ny 2023 izao”

Sample post image

Misafotofoto be izao ny raharaham-pirenena tao aorian’ny fiakaran’ny vidin-tsolika, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana, Durlin Retogniane.

21-juil-2022

Misy ny olana amin’ny resaka fanabeazana, fitaterana, vidin-javatra eny an-tsena, delestazy, tsy fandriampahalemana, hoy izy. Marary ny olona ny lafiny sosialy. Taratry ny olana ara-ekonomika iarahantsika mahalala amin’izao fotoana izao izany olana ara-tsosialy izany amin’ny alalan’ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Misy tandrevaka avy amin’ny mpitondra koa anefa satria adidiny mandrakariva ny mitady vahaolana amin’ireo olana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy. Tsy misy afa-tsy ny ataontsika hoe fakan-kevitra amin’ny hery rehetra eto amin’ny firenena no vahaolana amin’izany rehetra izany. Tsy voatery ho hery politika fa eo koa ireo hery ara-ekonomika satria be dia be ireo mpahaitoekarena Malagasy eto an-tanindrazana. Afaka mandray anjara ireo hijery hoe ahoana no hahafahantsika miatrika ny olana ara-toekarena eto amin’ny tany sy ny firenena amin’izao fotoana izao? Mety azo heritreretina izany hoe banky ropotra ve ankehitriny ny fanjakana? Izay no ilana fitadiavana hevitra ahoana no hahafantsika mampiditra vola vahiny betsaka eto amin’ny tany sy ny firenena satria rehefa mihena ny vola vahiny miditra dia mihena ny sandam-bolantsika ary mihena koa ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Tsy zakany intsony avy eo ilay fiainana. Izay no tokony hanaovana antsoavo ny herivelona rehetra hiaraka hitady vahaolana fa tsy sanatria hifantoka bebe kokoa amin’ny valifaty politika. Raha tsy voavaha alohan’ny fifidianana izao dia vao mainka ho loza aorian’ny taona 2023. Ataoko fa tsy ho zakan’ny vahoaka Malagasy izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap