airtel

Politique

16-août-2022

Politique

Durlin Retogniane “Tsy fananganana ozinina ihany no “industrialisation””

Sample post image

Zava-dehibe ary reharehan’ny firenena ny fananana filoham-pirenena nahazo amboara tahaka ireny azon’ny filohantsika tany Vienne, Autriche, ireny, hoy ny mpanao politika, Durlin Retogniane.

16-août-2022

Tena afaka mirehareha tokoa ve isika amin’ilay mari-pankasitrahana nefa, hoy izy? Sao ilay filoham-pirenena nomena ilay marim-pankasitrahana ihany no afaka manao an’izay? Tsy fananganana ilay ozinina ihany no antsoina hoe “industrialisation”. Misy asa miaraka aminy ao ambadiky ny fananganana sy fanorenana ireny ozinina ireny. Betsaka anefa ireo tsy an’asa eto Madagasikara ary sahirana ny olona amin’ny fidangan’ny vidim-piainana tsy mitsaha-mitombo noho ny olana maro samihafa tahaka ny fidangan’ny vidin-tsolika. Mila famoronana asa be dia be ao ambadik’izany ka raha misy 107 ilay indostria hoe natsangan’ny filoham-pirenena dia mba tiako ho fantarina hoe firy ny asa noforonin’izany orinasa miisa 107 izany teto Madagasikara? Sarotra ny hampiditra izany Madagasikara izany amin’ny “industrialisation” ka mila miara-miaiky ny rehetra amin’ny maha samihafa ny fomba fijerin’ny olona ny zava-misy eto Madagasikara. Misy mpitondra ve eto amin’ny firenena satria matetika hafa ny voalazan’ny tomponandraiki-panjakana nefa hafa ny zava-misy. Sao dia ny tsy fahaizantsika mifehy ny fandraharahana eto amintsika no mahatonga izao zava-misy izao? Vao tsy ela akory izay no be dia be ireo faritra saika tsy nahitana solika teto Madagasikara. Hafa ny lazain’ny mpitondra nefa hafa ny zava-misy ary ny vahoaka tsy adala ka tsy hahay handinika ny voalazan’ny andaniny sy ankilany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap