airtel

Politique

05-avril-2022

Ecran plat, bonbon sucette, volamena, CNaPS… Mitaky ny hivoahan’ny marina ny KMF

CNOE

Sample post image

Namoaka ny fomba fiijeriny mikasika ny raharaham-pirenena ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olom=pirenena, izay nitsinjara tamina teboka maromaro.

05-avril-2022

 Ny lafiny fangaraharan'ny fitantanana sy ny fanjakana tsara tan-tantana ary ny tany tan-dalàna, nolazain’io firaisamonim-pirenena io, misy ny finiavana hita eo amin'ny fitondram-panjakana amin'ny fametrahana ny tany tan- dalana, raha tarafina tamin’ny fanapahan-kevitra tamin'ny fanekena ny fametraham-pialan'ny ministry ny fitsarana izay misy raharaha mahakasika azy niparitaka tamin'ny tambanjotra sosialy ary fantatra fa efa eo am-pelatanan'ny fitsarana izany. Safosafo miaro felaka anefa satria nohitsian’ny KMF/CNOE ihany koa fa mbola tsy ahitam-baliny ankehitriny ary toa zary nangina aza ny mikasika ireo raharaha tranga fanodikodinam-bolam-bahoaka toa ny resaka « écrant plat », « bonbon sucette », fanondranana antsokosoko ireo harem-pirenena toy ireo volamena tratra tatsy Afrika atsimo sy tatsy amin'ny nosy kaomoro. Nisy ny fanadihadiana ary nisy ihany koa ny raharaham-pitsarana izay nisokatra momba azy ireny fa toa very anjavony, hoy ny fanamarihana, izay naneho fa mila mahafantatra ny marina ny olom-pirenena tsirairay,… Manoloana ireo raharaha izay mahavoarohirohy tompon'andraiki-panjakana ambony maro izay anjaran'ny HCJ (Haute Cour de Justice) kosa ny ny fitsarana azy, dia miantso ireo solombavambahoaka tsy hiray tsikombakomba ny KMF/CNOE. Hita taratra fa mikatso tanteraka ny fandinihana ny antontan-taratasy tonga eo anivon'ny antenimieram-pirenena mahakasika ireo mpitondra teo aloha sy ireo mpitondra ankehitriny, hoy ny fanamarihana, izay nanipika fa manome vahana ny tsy fitovian'ny rehetra eo anatrehan'ny lalàna sy ny fisian'ny« tsy maty manota » izany. Ny raharaha eo anivon'ny CNaPS, volan'ireo mpiasa sy mpampiasa izay mandoa latsak'emboka isam-bolana no ao anatin'izy io. Efa misy ireo olona izay nohadihadiana sy nalefa vonjimaika any am-ponja…. Matetika anefa dia lasa fombafomba fotsiny izany fa very anjavony ny tohiny. Tahaka izany ihany koa ny raharaha fitantanana ny volan’ny coronavirus, izay efa nanaovan’ny Fitsarana momba ny kaonty ampahana tatitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap