airtel

Politique

06-juil-2022

Politique

Edouard Tsarahame “Tafahoatra ny fanandevozana ao Nosy be”

Sample post image

Tafahoatra ny fanandevozana ao Nosy be nefa tsy nifidy mpanjaka isika, hoy ny mpitondra tenin’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, Edouard Tsarahame.

06-juil-2022

Misy zavatra mampalahelo ahy izay tsy zakako ny tsy hilaza azy ity, hoy izy. Ity misy zazakely ity amin’ny sary ity. Nigadra ny reniny. Tsy afa-mihetsika ity zaza ity fa io matory eo ihany no ataony, hoy hatrany izy naneho an-tsary ny zava-misy tetsy Bel’air omaly. Tsy misy mpikarakara izy io amin’izao. Tsy haiko na ho taitra ny “association Fitia” hitaiza azy. Raha mbola miasa izy dia hoy izahay hoe vonjeo haingana ity zaza ity fa tena mampalahelo ny manjo azy. Raha maninomaninona io dia ho hitantsika eo ny tohiny fa tsy ho ekenay. Mangataka ireo Zafinifotsy nogadraina ao Nosy be izahay mba ho avoaka tsy misy fepetra fa fanagadrana politika no nanjo azy. Matoky anareo mpitsara izahay fa hihaino anay. Raha tsy hihaino moa ianareo dia ho hitantsika ny tohiny, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap