airtel

Politique

08-juin-2022

Politique

Efa hitsingerina indray ny 26 jona Natakalo teleferika ny îles Eparses ?

Sample post image

Mandeha ny ora sy fotoana, ho tapitra ihany ny 5 taona itondran’ny Filoha Andry Rajoelina fa ny veliranony momba ireo Nosy Malagasy nolazaina fa ho azo ary hivoaka mialohan’ny 26 jona 2020 ny fehin-kevitra aloha,

08-juin-2022

dia naman’ny kabary sy fampanantenana poakaty ara-politika tahaka ny mahazatra. Ny faran’ny taona 2019 no namory olona teny amin’ny CCI Ivato ny filoha Andry Rajoelina izay notronin’ny Filoha teo aloha Amiraly Didier Ratsiraka tamin’izany fotoana. Nisy ny fanambarana fa atao izay hiverenan’ireo nosy rahavavy ka mialohan’ny 26 jona 2020 no hanaovana izany rehetra izany. Efa higadona indray ny 26 jona 2022, fa ilay fampanantenana kosa mitovy amin’ilay hoe: efa any anaty sambo ny tramway, hanangana ozinina mpamokatra simenitra goavana indrindra aty Afrika,… izay kabary efa hatramin’ny tetezamita. Henjana ny valin-teny natao tamin’ireo mpanao gazety Frantsay ny volana may 2020 nilazana fa tsy mila fiaraha-mitantana fa famerenana no takiana. Norangitin’i Emmanuel Macron izay nandeha tatsy amin’ny Nosy Glorieuses fotoana fohy taorian’io, ka nanaovany ilay fehezan-teny nalaza hoe: “Ici c’est la France”. Tsy sahy namaly izany ny fitondrana Malagasy, kisehoseho ivelany ny fiaraha-nisotro CVO teny amin’ny CCI Ivato tamin’ny fotoan’androny nataon’ireo depiote IRD niara-niredona ny “Madagasikara tanindrazanay” nanohana sy nandoka ny tenin’ny Filoha fa fitakiana fa tsy fiaraha-mitantana, kanefa tsy sahy nanolotra akory na volavolan-dalàna iray mametraka ireo nosintsika ho isan’ny faritr’i Madagasikara na nisy aza ny tolo-kevitra samihafa. Tsy nisy na didim-panjakana iray monja momba ireo nosintsika nataon’ny Fitondrana Rajoelina izay midika fa fampalazana tena no tena natao. Ny septambra 2021 tany amin’ny fivorian’ny Firenena Mikambana tany New York moa, dia nitsotra i Andry Rajoelina, fa "tsy manan-kery, na fitaovam-piadiana, ary tsy mikasa hanangana ady izahay, fa finoana sy fandehanana amin'ny ara-dalàna no fitaovana no entinay angatahana ny famerenana ireo Nosy Rahavavy”. Nangina tsy re tsaika firy intsony ny raharaha Nosy Malagasy, na ny Minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha izay isan’ireo nitarika ny delegasionina Malagasy tamin’ny adihevitra niarahana tamin’ny Frantsay aza moa efa tsy ao anaty fitondrana intsony. Etsy andaniny, toa noraviravizin’ny Frantsay 151 tapitrisa euros hanamboarana teleferika eto Antananarivo izay mbola trosa ny ankabetsahany ny Fitondrana dia toa nipirina. Atao mahagaga ve raha niniana nampanginina ity resaka Îles Eparses ity? Nihomehezan’Atoa Andry Rajoelina ny mpifaninana taminy Atoa Marc Ravalomanana raha nilaza fa mila manana tanjaka ara-toekarena aloha isika afaka ny hiady ireo Nosy saingy ny an’ny ankilany natao fitaovana hahazoana vaton’ny mpifidy io saingy aiza izany ankehitriny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap