airtel

Politique

07-déc-2021

Politique

Efa nampoizina Ilay notendren’ny Filoha no lasa Filohan’ny CENI

Sample post image

Nivoaka ofisialy omaly alatsinainy 06 desambra 2021 ny firafitry ny Birao maharitry ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI,

07-déc-2021

 taorian’ny fahavitan’ny fianianan’ireo mpikambana miisa 9 ny 01 desambra lasa teo. Araka ny efa nampoizina, ny olona natolotry ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no nofidian’ireo mpikambana 7 tamin’ny 9 ho Filohan’ny CENI dia Atoa Dama Andrianarisedo Retaf Arsène, izay mpitsara talohan’ny naha mpikamban’ny CENI azy. Tsara ny manamarika fa vadin’ny Minisitry ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy Rtoa Gisèle Ranampy ihany koa ity Filohan’ny CENI vaovao ity, izay toa endrika maneho fa manana rohy amin’ny fahefana mpanatanteraka ny tenany, ary efa nitondran’ny mpanohitra kiana fa tsy misy fisaharam-pahefana. Izy izany no ho eo amin’ny Familiana ity vaomiera hisahana ny fifidianana ity manomboka izao, handimby an’Atoa Hery Rakotomanana. Ekena fa nanao fombafomba ara-pianianana ny mpikamban’ny CENI, fa tsy hanao ny asany am-pahamarinana, tsy hitanila fa hanao ny asany araka ny voafaritry ny lalàna sy ny lalàm-panorenana, saingy hanahirana ihany ny hahazoany fahatokisana amin’ny herivelona rehetra, raha zohiana hatrany am-piandohana ny tantara. Vao mainka karazan’ny manome bala hitifiran’ny mpanohitra eo anatrehan’ny hoe: olona izay natolotry ny Filoham-pirenena no lasa Filohan’ny CENI. Efa nilaza, ohatra, Atoa Marc Ravalomanana fa ny Filoha ankehitriny Atoa Andry Rajoelina dia azo antoka ny mbola hirotsahany kanefa ny CENI azy ny ankamaroan’ny mpikambana. Tsy azo ekena ny firafitry ny CENI amin’izao fotoana, fa mitongilana sy anjakan’ny loko volom-boasary, hoy ny fanehoan-kevitra politika avy amin’ny mpanohitra. Tena afaka hitondra lamina ara-politika amin’ny alalan’ny fifidianana hokarakarainy ve ny CENI ankehitriny? Mikasika ireo mpikambana sasany moa, dia Filoha lefitra voalohany Atoa Andriamalazaray Andoniaina; Filoha lefitra faharoa Atoa Houssene Abdallah; Filoha lefitra fahatelo Atoa Razafimamonjy Laza Rabary, Mpampaka-teny voalohany Atoa Andriamarotafikatohanambahoaka Ralaisoavamanjaka, Mpampaka-teny Atoa Randrianarivonantoanina Tiana Ifanomezantsoa, Mpanolotsaina miisa 3 dia Jeannot Guy Georges Razafindraibe sy Atoa Ravalitera Jacques Michaël, ary Atoa Fidimiafy Roger Marc.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap