Mpitarika ny Antoko Otrikafo sy olona 5 hafa. Mpikambana avy amin'ny fikambanana Mazoto sy mpanao gazety roa, izay nikasa hanatona ny sefo fokontany mba hanao fifampidinihana momba ny toe-draharaha misy amin’ireo mpikambana Mazoto miafina ao anaty ala no antony. Tao anatin’ilay fihaonana dia tonga tampoka ny sampana Voromahery, mpiara-miasa amin’ny Base Toliara, izay nifanohitra mivantana tamin’i Elia Rabevahiny, nanakiana azy ary niantso avy hatrany ny zandary tao amin’ny toerana. Nantsoina haingana ireo zandary avy ao Toliara; teo amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro izy ireo vao nisambotra ny olona valo ary nalefa ho ao amin’ny CIRGN Toliara ny enin-dahy. Voalaza fa nanomboka tamin’ny 6 ora hariva ny famotorana azy ireo ary tsy nifarana raha tsy tamin’ny 11 ora sy sasany alina vao nahazo antso ny fianakavian’i Elia Rabevahiny araka ny fampahafantarana avy amin’ny antso an tariby avy nifanara tamin’ny fivorian’ny mpitandro ny filaminana tao an toerana. Navotsotra ireo mpanao gazety 2 raha vao vita ny famotoroana. Marihina fa efa ho tapabolana izao no niafina ao anaty ala ireo mpikambana sasany ao amin’ny Mazoto manohitra ny fitrandrahana ataon’ny Base Toliara ao Ankilimalinike, ary nitohy ny fitarainan’ny fianakaviany momba ny tahotra tsy ahazoan’izy ireo miverina any an tanàna, hoy ny vaovao avy any an-toerana. Mpamatsy vola, mpanakorontana, mpampirisika olona hikomy no isan’ny vesatra iampangana an-dry Elia Rabevahiny izay nanohitra hatry ny ela ny tetikasa Base Toliara. Andrasana ny didim-pitsarana ary ahiana ho hampirimin’ny Fitondrana Rajoelina any am-ponja i Elia Rabevahiny na hotataovana sazy mihantona tsy ho afaka hikofoka fa manelingelina. Akaiky ny Fivorian’ny SADC fa fehezina ireo toe-draharaha mafana ary manao pimaso amin’ny Amerikanina izay tompon’ny Base Toliara taorian’ny raharaha boeing 777 ? Anisan’ny naneho hevitra sy mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra azy ireo ny Cellule de Crise Diovy i Madagasikara vovonana misy ny Oyrik’afo, izay nilaza fa tsy heloka manoloana ny lalàna velively ny fitiavan-tanindrazana, ary tsy hadisoana ihany koa ny fiarovana ny mpiray fihaviana aminy manoloana ny ambana fanapoizinana noho ny fitrandrahana an-tery vay manta akora mampidi-doza ambanin’ny tany. Manizingizina io vovonana io, fa ireo manam-pahaizana izay misy Malagasy ary misy any ivelany, dia manamafy fa poizina ara-pahasalamana ny fitrandrahana fasimainty any amin’ireo toerana voakasika.
Toky R