airtel

Politique

06-sept-2021

Politique

Eliace Ralaiarimanana “Hita taratra hatrany ny maha DJ ny mpitarika”

Sample post image

Satria tokoa mantsy tokanana androany (TTF: ny sabotsy teo) ny Kianja Barea dia nofoanana eto amin'ny tany repoblikanina ny hamehana ara-pahasalamana

06-sept-2021

 satria matahotra sao tsy ho feno kianja ka na dia mbola misaodisaody aza ny aretina dia habanaka ihany, hoy ny kandida ben’ny tananan’Antananarivo teo aloha, Eliace Ralaiarimanana. Izany no midika, hoy izy, fa mbola manjaka hatrany ny fitiavan-tena, tsy misy finiavana sy fiahiana ny mpiaram-belona na dia kely aza. Hita taratra hatrany ny maha DJ ny mpitarika ka tsy mahalala afa-tsy ny mahafinaritra, tsy misy fieritreretana izay mahasoa ny vahoaka malagasy na dia kely aza. Firenena efa gisitry ny fahantrana. Ny ankabeazan’ny vahoaka Malagasy miady amin'ny hanohanana, ny sosialim-bahoaka lazaina fa ho vahana ao anatiny 3 andro. Mandrak'ity ny androany tsy hita. Mba jereo ny vahoaka, saino ny efa lasa, diniho ny hoavy, saino izay mbola tokony atao fa ny vahoaka fasika. Andrao hanahirana, hoy hatrany ity kandida ben’ny tanànan’Antananarivo farany teo ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap