Rehefa tsy voky ny kibo, hoy izy, ny kere manao ny ataony fa mihanaka eran’I Madagasikara satria ny 2019 fotsiny isika no nahazo tarehimarika hoe 35%n’ny zaza Malagasy no tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarika fahasembanana. Ny dikan’izany dia ny malagasy ho lehibe atsy ho atsy dia ho sembana ny atsasa-manilany. Tokony hifantoka bebe kokoa amin’ny sakafo sy fahasalaman’ny ankizy, noho izany. Raha tsy hilaza fotsiny koa ny fitsoahan-daharana an-tsekoly noho ny fihibohana. Lasa misy elanelana be ny ankizy aty an-drenivohitra izay misy aterineto sy ny karazany sy ny any ambanivohitra izay tsy nisy izany resaka Covid 19 izany akory nefa tsy nampianarina toy ny rehetra. Ho baben’ny fiarahamonina indray izany ny olona sady ho bado no tsy an’asa. Vao miha loza ny kalitaon’ny fiarahamonina Malagasy. Izao indray izao ny toeram-ponenana izay matetika aty an-drenivohitra satria aty no misy ireo lakan-drano tsy maharaka. Mivangongo aty daholo tsinona ny fahefana sy ny vola rehetra ka izay akaikaiky an’io fahefana sy vola io ihany no mahazo tombony ho antsika Malagasy. Antony mahatonga ny any ambanivohitra rehetra miakatra. Aty no ahitany sakafo, vola, asa. Vokatry ny tsy fisian’ny fitsinjaram-pahefana io. Tokony hampiakarina daholo ny tetibola mikasika ny fitsinjaram-pahefana aloha, voalohany indrindra. Na io tohamboivoy io aza vokatry ny tsy fisian’ny fitsinjaram-pahefana. Raha olona miisa 800.000 no tokony hipetraka eto Antananarivo, raha ny kajy momba ny fotodrafitrasa misy eto dia 3.000.000 izy izao. Ekena fa tsy maintsy atao ny fanabeazana maha olompirenena fa tsy dia ilay vahoaka voretra no mahatonga an’io fa ilay fivangongoan’olona be loatra tsy zakan’ilay fotodrafitrasa misy. Rehefa mivangongo tsy misy hanariana intsony ny daba-pako misy eo dia tsy maintsy mitady lalana hafa hanariana ny fakony ilay vahoaka, hoy hatrany ny tenany. Adisoan’ny fitondrana tanteraka ny tsy ahitana vahaolana amin’izany sy ny tsy ampiharana ny fitsinjaram-pahefana satria Fitsinjaram-pahefana tsy misy daholo no anton’izao, hoy izy.
J. Mirija
Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle
Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany
Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny
Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,
Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho
Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,