Lazaina fa afaka mifidy nefa mbola mipetraka any amin’I Papa sy I Mama, hoy izy. Tsy mahavelon-tena. Manam-bady aman-janaka. Mbola I dadabe sy I bebe no miantoka ny rehetra. Mbola I dada sy I neny no miantoka ny sakafo. Tsy mahaleontena izany ary toy izany no fahitako an’I Madagasikara. Ara-taratasy isika mahaleotena kanefa vao mainka nidina be isika na ny fahaleovantena ara-ekonomika. Lasa sanatria andevon’ny firenena hafa sasany nefa isika rehefa tsy manana fahaleovantena ekonomika. Adidin’ny fitondram-panjakana ny miala an’izay zavatra izay ka izahay tsy sasatry ny miteny hoe betsaka ny loharano eto Madagasikara azo ialana amin’io fanafarana solika io fa io no olana voalohany. Ny resaka fambolena, betsaka ny tany azo hivalamparana amin’izany eto. Ingahy Macky Sall, filoham-pirenena ao Senegal, mitotototo mitady sakafo erak’i Okrainina sy Rosia any amin’ny tany miady. Isika nomen’Andriamanitra ny zavatra rehetra hahavitan-tena ara-tsakafo ka adidin’ny fitondram-panjakana ny mikarakara bebe kokoa ny tantsaha hamokatra bebe kokoa sakafo ho an’ny malagasy fa tsy hiankin-doha amin’ny tantsaha avy any Pakistan na Indonezia. Ireny no atao manan-karena fa ny antsika ampahantrana foana. Jereo ny fanamboaran-dalana hahafaha-mamoaka vokatra sy ny lafiny fandriampahalemana fa izany no manakana ny mpampiasa vola tsy ho avy eto. Satria tsy ho araky ny fanjakana ny hiantoka fandriampahalemana sy fananan’asa eto dia averinay foana ny vahaolana hoe fanjakana rejionaly na “Etat régional”, hoy hatrany I Eliana Bezaza.
J. Mirija
Ankoatra ny fandokafana nataon’ny ankamaroan’ny depiote mpomba ny fitondrana ary ny kiana mivaivay nataon’ireo depiote avy amin’ny antoko mpanohitra,
Miditra ao anatin’ny kihon-dàlana politika vaovao ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM, izay mankalaza ny faha-20 taona nijoroany manomboka anio 30 jona 2022.
Notorian’Atoa Maharesy Roi Francis Ben’ny tanànan’Ankavandra teo aloha tompon’ny orinasa ETS AR Business any amin’ny Sampana fitarainana eo na “bureau de doléance” eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika ny Depiote
Araky ny lalampanorenana, ny governemanta sy ny parlemantera, ny fifandraisany, indrindra, ny fanaovana lalana, dia ny parlemantera manara-maso ny mpanatanteraka, hoy ny antoko politika Teza.
Fampalazana tena na « populisme » no mbola hanarontsaronana ny tena zava-misy iainan’ny vahoaka no tena ataon’ny Fitondrana Rajoelina ankehitriny.
Mbola mila ezaka goavana ny resaka fitsinjaram-pahefana sy fitsinjarana ara-bola mba hoenti-mampiodina sy mampandroso ny firenena,