airtel

Politique

30-juil-2021

Politique

Eliana Bezaza PSD “Avy misambotra angaha vao mitady porofo ?”

Sample post image

Naneho ny heviny tamin’ny alalan’ny Sekretera Nasionaliny Rtoa Eliana Bezaza ny antoko PSD, mikasika ny resaka fifofoana ny ain'ny Filoham-pirenena.

30-juil-2021

 Nampatsiahy ny antoko fa manameloka foana rehefa misy ny fampiasana herisetra eto amin'ny firenena, na iza na iza lasibatr'izany, na mpitondra na olon-tsotra. Raha voamarina ka nisy tokoa izany fikasana nifofo ny ain'ny Filoham-pirenena izany, dia mazava ho azy fa manameloka an'izany izahay, hoy ny fanambarana. Mitaky ny fikarohana ny marina hatramin'ny farany ary mba tsy ho atao tompo- trano miono ny vahoaka malagasy ka tsy misy ho afenina azy ny ny porofo tsy azo lavina sy mandresy lahatra rehetra mba tena ahafantarana ny marina. Hatreto mantsy dia mifamahofaho ny resaka avoakan'ny tompon'andraikitry ny fanadihadiana. Milaza ny minisitry ny filaminam-bahoaka fa efa manana porofo vokatry ny fanadihadiana efa aman-bolana, nefa tsy misy porofo nahafahana nampiditra am-ponja an'ireo voapanga hatreto fa mbola any an-tranon'olona manokana ihany no mitohy hatramin'izao efa ho andro maromaro izao ny fanadihadiana. Tsy manara-dalàna izany, ary mahamenatra raha raharaha goavana ohatran'izao, izay aim-ben'ny firenena no tsy hanarahan-dalàna, hoy Rtoa Eliana Bezaza. Sa tsy azo antoka indray ny porofo ? Sa matahotra ny frantsay satria manam-boninahitra frantsay ireo voapanga? Maninona tsy ampanarahana ny lalàna velona ary hatramin'ny oviana no ho tazomina « garde à vue » ireo olona ireo ? Lasa aloha loatra angaha ny fanamborana ka rehefa voasambotra vao mikaroka porofo ? Izany daholo no fanontaniana mipetraka ao an-tsain'ny malagasy mandinika ny fandehan'ny raharaha satria amin'izao fotoana izao vao mivoaka tsikelikely ny mikasika io raharaha io sy ny eritreretina ho mpiray tsikombakomba eto Madagasikara ary manomboka ny fanamborana olona samihafa. Ny mahagaga dia toa olona akaiky ny fitondrana daholo hatreto na ny voasambotra na ny voatonona, hatramin'ny honohono aza. Misy artista, misy olom-piangonana, ary misy koa hono, ary tsindriko ny « hono », olom-panjakana am-perin'asa, hoy izy. Nambarany mahitsy fa araka fanadihadian’izy ireo dia tsy misy intsony ny firaisan-kina eo anivon'ny fitondram-panjakana eto Madagasikara. Matoa tsy misy ny firaisan-kina dia satria tsy misy intsony ny tanjona iombonana sy ny foto-kevitra tsy azo hozongozonina, hoy Rtoa Eliana Bezaza.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap