Ny volam-panjakana fongana ka tao anatin’ny valo volana monja ny 51 miliara Ar raha ny tatitry ny Mpitsirika volam-panjakana na ny IGE. Raha ao anatin’ny 5 taona nitondran’ny Fanjakana Rajoelina izany ohatrinona? Hatramin’ny volamena 36kg tany anaty biraom-panjakana nanjavona, ny vola 5 tapitrisa dolara nambara hanarenana ireo fiaramanidina roa an’ny Air Madagascar toa nanjavona. Ny aferan-tsolika mitapoka sy ny 64 000L nanjavona tao amin’ny Jirama toa nangina fa ny pirina ihany no manefa. Ny mpisintona lakolosy amin’ny tambajotran-tserasera facebook manelingelina fitondrana no misesy miditra any am-ponja fa ny mpangalatra amina miliara miadam-pinaritra? Nolazaina fa jadona I Marc Ravalomanana tamin’ny fitondrany, na afera maloto sy fitantanan-draharaham-panjakana tsy araka ny tokony ho izy aza no nigadran’ny mpanao politika sasany. Mbola nosoketaina fa hoe manao ampihimamba ny tontolon’ny fandraharahana ihany koa. Mifankaiza amin’izany moa ny zavatra miseho ankehitriny, ary tsy vao miha henjana aza ?
MITOMBO NY AFERA SY KOLIKOLY
Raha resaka fitantanan-draharaham-panjakana sy ady amin’ny kolikoly, tsy resaka fandokafana tsangan’olona fa miteny ho azy ny tarehimarika hoe: faha-80 tamin’ny firenena 190 isika tamin’ny 2008, raha toa ka faha-147 ny 2021, ary ahiana hihazakazaka hanaikaiky ny rambony hatrany ny 2022. Tsy nisy mpitondra Fanjakana sy manam-pahefana sahy nibolila firy talohan’ny 2009, fa ankehitriny izay aleha hahenoana fofona afera sy kolikoly avokoa, saingy vitavita ho azy ny ankamaroany.
TENA MANOHINTOHINA NY FANJAKANA TOKOA VE ?
Tsy miaro na iza na iza, ary tokony hakana lesona foana ny tantara efa lasa, saingy ny sary miseho dia toa hifaninanana. Fanonganam-panjakana tahaka ny inona no ho vitan-dry Berija Ravelomanantsoa, Stan’ley Ramarivelo, Beharinirina Marcellin, eny fa na ry Mahery Lanto Manandafy nanonona olona miasa any amin’ny Fiadidian’ny Repoblika ho irakiraka mpamatsy bal any dahalo,…? Raha nohenjehina ho mpanagadra ireo tsy mitovy hevitra aminy I Marc Ravalomanana dia inona no tsy miseho ankehitriny ? Efa any am-ponja aza ry Mbola Rajaonah mbola atahorana sy lazaina fa manohintohina ny filaminana anatin’ny Fanjakana. Potehina hatramin’ny farany satria vao nosamborina dia efa niporitsaka ny resaka fa tsy hamelana raha tsy “0Ar”, atao mandeha “jante” vao mijanona,… Ry Harry Laurent Rahajason efa ny olona nanondro azy izao no nilaza fa tsy misy hidirany ny raharaha, saingy tsy namelana raha tsy nilentika. Mendrika hosaziana tokoa izay mety ho nanao ny tsy mety, saingy tokony ho fitaratra izay manenjika sy mandetika. Tia mamotika ny hafa fa tsy vonona hanitsy ny famindra ary mieritreritra ny tsy ho tratry ny aloka mandrakizay ?
Toky R
Hanao rodorodo any Toamasina hiatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra anio
Efa niteny ny antoko politika Teza fa tsy handray anjara amin’io fifidianana io satria ho haingon-tsehatra
Mitohy ny fanapahan-kevitra hafahafa ao amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza taorian'ny nanonganan'ny IRD
Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na
Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo
Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana