airtel

Politique

15-sept-2021

Politique

Fa iza marina no ao ambadika ? Mivoaka ny tsiambaratelon’olona ambony maro

Sample post image

Taorian’ny raharaha Ambatobe nahavoatonona ny Minisitry ny serasera Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy mivady sy ny mpanakanto malaza Mr Sayda,

15-sept-2021

 izay niteraka resabe tao anatin’ny herinandro mahery, dia mirarakopana ihany koa amin’izao fotoana izao ny karazana ampamoaka mitovitovy amin’ireny, misy anarana mpanao politika, tompon’andraikitra ambony, mpandraharaha mpanefoefo,… voatonona. Isan’ny notononina ny oloben’ny goveremanta, vehivavy mpikambana roa ao amin’ny HCC, “Manager”-na mpanakanto iray efa nodimandry, mpandraharaha mpanefoefo fanta-daza, tompon’andraikitra ambony ao amin’ny tahirimbolam-panjakana, olona ambony eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika, Minisitra iray ao anaty governemanta,… Resaka mamoafady no tsy fampiseho masoandro no noresahina momba ireo olona ireo tamin’ny alalan’ny kaonty fako na “Compte Fake”, izay tsikaritra ho niroborobo tanteraka tato ho ato. Narahina sary vitsivitsy nentina nanaporofoana ny karazana ampamoaka. Tsy afaka handiso na hanamarina an’ireny isika, dia toa manao randran-tarihina, ka dia mivoaka avokoa ireo voalaza fa raharaha mahakasika olona ambony, indrindra fa ny resaka fiainana manokana, ary misy hatramin’ny hoe: resaka ara-pijangajangana na “scandal sexuel”. Taorian’ny mpikamban’ny governemanta, izay tratry ny resabe, dia miitatra amina olona ambony. Tsiambaratelon’olona maro no toa miboaka sy mipongapongatra. Tsy tena misy sahy miseho ny ao ambadika ary mampametra-panontaniana hoe: fa iza marina? Marihina hatrany, fa tsy afaka handiso na hanamarina an’ireny isika, ary zon’ny mahatsiaro ho lasibatra ny miaro ny tenany sy manenjika ireo heveriny ho manala baraka azy, raha tsy mitombina izany, ary manohintohina ny maha olona. Misy rahateo ny mpitandro filaminana, fitsarana, ny “cybercriminalité”,… Ny tsy azo lavina raha tena mitombina tokoa ireny toe-javatra mamoafady ireny, dia ny samy ao anaty fitondrana aloha voalohany no mety mahalala zavatra ny zava-misy ao anaty vilaniny, ny samy mpiara-miasa ao an-dapa, ao amin’ny departemantam-panjakana,… Miseho ve ny hoe: “Raha maty aho matesa rahavana” ka ny ao anaty Fanjakana ihany no mamely ny namana sy lasa mpamosavy malemy? Mety ho tetika hatao mba ahafahana miaro tena ve hoe: iza irery no hizaka ny vavam-bahoaka eto ary raha hailika aho dia tokony hatao izany ihany koa ireo hafa? Betsaka ihany koa anefa ny olona any anaty fitondrana sosotra, misy ny mahatsiaro voafitaka,…. matoa misy afera maro mety ho vaky bantsilana sy mipongatra.
FANTATRA NY FIHAVIAN’IREO “COMPTE FAKE”…?
“Nipoaka ny Saydagate dia avoakany daholo ihany koa ity “scandale sexuel” ity, tsy haiko na marina io na diso. Mietreritra angamba izy fa mihena ny fahotany rehefa mandoto ny hafa. “Ianareo aza mieritreritra fa dia donto be I Malama, dia tsy fantany daholo ny kaonty fakon’I L…., efa an-taonany anie no fantratro izany e! Fa androany vao avoakako miaraka amin’ny “traçage”,…”, hoy ny mpamakafaka politika sady mpaneho hevitra malaza ao amin’ny tambajotran-tserasera, izay efa niara-dia tamin’ny fitondrana, ary azo lazaina ho efa avy iray donan-kafo tamin’ilay minisitra tratry ny resabe aza tany aloha. Sarotra ny zava-misy, olona niara-dia tamin’ny mpitondra, nahalala ny aty vilany,… no sahy mamoaka an-karihary ny ambarany fa fifamotehana sy tsipaky ny miala aina. Mivoatra hatrany ny raharaha, ka andrasana ny fivoarany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap