airtel

Politique

11-mai-2022

Politique

Faha 50 taonan’ny tolona 1972 Tsiaro fa tsy fankalazana ny eny Antaninarenina

Sample post image

Mandritry ny 3 andro dia ny 10 hatramin’ny 12 mey izao no hanatontosana etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny Tsiaro ny faha 50 taonan’ny tolona 1972. “Tanora mahatsangy, manoratra tantara…”,

11-mai-2022

izay moa no lohateny nofidian’ireo mpikarakara izany ho fanamarihana izay jobily volamena izay. Antso ho amin’ny fijoroan’ireo tanora ankehitriny hanohy ny tolona mbola tsy vita hatramin’izao araka izany no tanjona. Tsy fankalazana fa tsiaro no atao, hoy ny fanamarihana. Nampatsiahy ireo mpikarakara fa tsy hoe ny datin’ny 13 mey 1972 sy ny zava-nitranga teny Analakely sy ny manodidina ihany akory no tena hoe tolona fa efa tany amin’ny 1971, taorian’ny vonomoka natao tamin’ny mpiray tanindrazana tany Atsimo no nijoro ireo tia tanindrazana tsy manaiky ny tsy rariny sy ny fanararaotam-pahefana ary ny firaisana tsikombakomba tamin’ny mpanjanaka.Ny mpianatra no tena nihetsiketsika voalohany saingy nieli-patrana manerana ny nosy ary tena nahakasika ny ankamaroan’ny Malagasy ny tolona, hoy hatrany ny fanazavana.Fanovana rafitra sy fomba fiasa no notakiana fa tsy resaka tsy fitiavan’olona sanatria, raha ny fitantaran’ireo vavolombelon’ny tantara niaina izany 1971 sy 1972 izany. Isan’ireo mpiara-miasa amin’ity hetsika ity moa ny vondron’orin’asa Vidy Varotra misy ny gazety Tia Tanindrazana.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap
27-mars-2024

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

Card image cap
27-mars-2024

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

Card image cap