amin’ny isam-bato mazava 45,29% tamin’ny alalan’ny vato manan-kery 22897 manoloana ny kandidam-panjakana minisitra teo aloha Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy nahazo 40,46% tamin’ny alalan’ny vato 20546, dia mihazakazaka ny fanenjehana olona sy tompon’andraikitra samihafa ao Faratsiho. Ny kandidam-panjakana sy ny ekipany izay efa nihirahira fa mahatoky ny HCC hanasary ny kandidan’ny mpanohitra. Raha ilay vokatry vonjimaikan’ny CENI, dia voatazona izany ny elanelam-bato 2351 tany Faratsiho, izay tena tsy azo hamaivanina. Mandra-piandry ny vokatra ofisialin’ny HCC, mihazakazaka ny fanenjehana ireo olona soketain’ny kandidam-panjakana ho tompon’antoka tamin’ny hala-bato tao Faratsiho, ka naharesy azy. Olona 2 no efa voatazona ao amin'ny tobin'ny zandary Antanimenakely Antsirabe hatramin’ny omaly 13 jona 2024 atoandro, raha ny loharanom-baovao. Ny alin’ny alarobia teo no voalaza fa efa voatazona ny Lehiben’ny CID (Centre Informatique de District), niantsoroka ny fikarakarana ny lisi-pifidianana eo anivon’ny distrika. Mbola misy roa hafa andrasana fa atao fanadihadiana any amin'ny Kaominina Faravohitra Faratsiho, raha ny fanamarihana. Raha ny fanazavana azo avy amin'ny any Faratsiho, dia lehilahy iray, R. A, avy any Vinaninony, miampy olona iray hafa avy any Ramainandro ary misy olona roa hafa izay mpikambana ao amin'ny CED (Commission Electorale de District) ny iray. Nisy rahateo ny fampanantsoana ny Filohan’ny CED tany amin’ny zandary. Solontenan'ny Vovonana Firaisankina ao amin'ny CED ny iray, ary io rangahy voalohany R. A, io dia nolazaina fa nizara vola tamin'ny fokontany roa samihafa tao anaty androm-pifidianana. Fokontany roa samihafa mielanelana 26km anefa ireo voalaza fa nanaovany fizaram-bola, kanefa izy tsy manana na moto na bisikileta aza, hoy ny vaovao avy any Faratsiho. Ireo olona roa kosa izay solontenan'ny Firaisankina ny iray ary mpikamban'ny CED ny iray, dia nambara ihany koa fa nanaparitaka mialoha ny « bulletin unique », nefa dia trano mihidy tsara sy misy marika mazava no novantanina'ireo solotenam-panjakana sy mpitandro filaminana ao Faratsiho, ary mbola teo ny solontenan'ny kandida Lalatiana Rakotondrazafy, ny maraina namohana ny trano nisy ireo bileta ireo, ary hita fa nihidy avokoa, hoy ny fanazavana avy any Faratsiho hatrany. Ilay rangahy avy any Ramainandro moa dia voalaza fa namporisika olona tsy hifidy indray no antony. Anio moa no handeha ny « audience » na raharaham-pitsarana ny fifidianana tany Faratsiho etsy amin’ny HCC.
TSY MITOVY NY FANDRAISANA AN-TANANA…
Hitsimbadika ve ny vokatra ao Faratsiho sa hanao sotro ranon’alika ny valim-pifidianana navoakan’ny CENI ka tsy hetaheta fa sotasota amin’ny alalan’ny fanafoanana izany rehefa resy ny kandam-panjakana? Hiverina ny sary tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna nahalan-dRamilison Nomenjanahary ? Mampanahy ihany koa ny tsy fisian’ny fitoviana na « même traitement » eo amin’ny fanenjehana manoloana ny fifanolanana ara-pifidianana. Firifiry ireo fitoriana sy fitarainana tahaka ny nataon-dry Rahasimanana Paul Bert na Rossy nisambotra ireo tratra ambodiomby tamin’ny teti-dratsy, fa toa vitavita vita ho azy ? Nahoana no rehefa kandidam-panjakana no milaza lasibatra dia mihazakazaka be ny fanenjehana sa habaribary mihitsy fa voabaiko na baikoana ireo rafitra samihafa toy ny mpitandro filaminana sy ny Fitsarana ?
Toky R
Legende : Ireo varavarava mihidy nasiana ny bileta tokana
Miitatra ny lonilony ara-pifidianana, tsy mijanona intsony amin’ireo heverina fa hery mpifanandrina fantatra
Notanterahina omaly alakamisy 13 febroary 2025 teny amin’ny Antenimierampirenena ny fihaonana
Ny zava-miseho rehetra ankehitriny dia vokatry ny fifidianana, hoy ny antoko politika Teza.
Namana enina (6) mpiaro ny tanin’ny mponina voatazona atao andrimaso (garde a vue)