airtel

Politique

04-mars-2022

Politique

Famahanan-dalitra vahoaka Aboridan’ny zava-misy i Rajoelina

Sample post image

Kofona tanteraka ny Fitondram-panjakana Andry Rajoelina, ka zary lasa fizaram-bary sy fanampiana sisa no programa fototra sy asan’ny Filoham-pirenena. Miezaka mafy mitety faritra,

04-mars-2022

tafiditra ao anatin’ny fampalazana tena satria akaiky rahateo ny fifidianana. Ny firenena kosa miha mitotongana hatrany amin’ny lafiny toekarena, ny vahoaka miha sahirana, ny krizy ara-tsosialy mitombo, ny fitokonana sy fitakiana etsy sy eroa miverina indray,... Manampy trotraka ny krizy ara-politika noho ny endrika ady an-trano, fahavakisana raharaha kolikoly sy afera goavana, ny resaka fikitihana na fanovana governemanta manahirana,… Karazan’ny tapi-dalan-kaleha ny mpitondra, ka mitady izay fomba rehetra ahafahana manarontsarona an’ireny amin’ny kisehoseho ivelany. Ny resaka vinam-pampandrosoana sy programam-panjakana tsy marin-toerana intsony. Herintaona lasa izay, karazan’ny notsipahin’ny Mpamatsy vola am-bavafo ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar) izay nambara fa aoriana kelin’ny 19 janoary 2021 no hampafantarin’ny Filoha amin’ny fomba ofisialy PEM, araka ny nambaran-dRtoa Lova Hasinirina Ranoromaro Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika ny 14 janoary 2021. Ny 15 febroary 2021, nisy ny fifandresen-dahatra teo amin’ny Fanjakana sy ny Mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF), saingy naneho ireo fa ny PMDU (Plan Multisectoriel d’Urgence) no tohizana hatramin’ny jona 2021, ary ho avy ny PEM ka io indray no mandray azy avy, hoy ny Praiminisitra tamin’izany. Ny jona 2021 izany dia efa tokony nandeha ny PEM raha zohiana amin’io, saingy taty amin’ny febroary 2022 vao hoe: vao mitady manam-pahaizana (consultant) handrindra sy handamina ny laharam-pahamehana, ary hitady mpamatsy vola. Izany ve tsy midika fa famahanan-dalitra ny Malagasy no betsaka? Ny IEM, Plan Marshal,… moa toa anarana no nipoapoaka, fa ny fanatanterahana poakaty. Fahavitan-tena ara-tsakafo, ohatra, no resahina ao anatin’ny Velirano faha-9, dia fanafarana vary no hireharehan’ny Filoha, Filohana Malagasy ve dia mahasahy miteny fa tsy afaka hiandry voka-bary 2 taona? Tsy fivakian-doha sa tsy fahalalana tsotr’izao?


Ny resaka diplaomasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena etsy andaniny toa mbola tsy voafafa kasikety nahafantarana tamin’ny tetezamita, hany ka hivina famatsiam-bola hatrany no mirotsaka, tsy sasatry ny mitabezo vola rehefa miatrika fihaonana iraisam-pirenena, fa tsy araka ny vava be tamin’ny propagandy. Ny vina sy programam-panjakana am-polony miliara mahery, kanefa ny famatsiam-bola azontsika manodidina ny 500 tapitrisa dolara eo. Aiza ilay hoe tsy mila famatsiam-bola iraisam-pirenena fa mampahatra? Ny toekarena sy ny harin-karem-pirenena anefa mitotongana, tsy manam-bola ny Fanjakana,… dia io iaraha-mahita io ny vokatra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap