airtel

Politique

02-août-2021

Politique

Famakiana ady amin’ny Frantsay Nanenina ary lasa mitandrina ny Fanjakana ?

Sample post image

“Miasa amin’ny sampan-draharaham-pitsikolovana Frantsay i Paul Maillot. Mazava be ny tanjona, ny Frantsay no tompon’ny Africa Intelligence.

02-août-2021

Tamin’ny fotoan’androny Ravalomanana sy Rajaonarimampianina (desambra 2019) efa nihaona tany Frantsa. Inona daholo ny antony? Mipoitra ilay hoe anarana lazaina fa hisolo an-dRtoa Ntsay Christian, I Paul Maillot izay ao anatin’ny sampam-pitsikolovana Frantsay, any izany ny zava-misy. Tsy kisendrasendra ireo zavatra rehetra ireo fa efa nomanina tamin’ny volana novambra tany”, hoy ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Andriatongarivo sady Mpitondra tenin’ny Governemanta Malagasy ny 22 janoary. Notondroin’ny fanadihadiana Frantsay ho izy no ao ambadiky ny kaonty iray mpanohana Fitondrana izay ny andron’io ihany no nilazana tao amin’io pejy io, fa ny Frantsay no ao ambadik’izao endrika fanakorontanana rehetra izao izay miara-dia amin’ny mpanohitra. I Paul Rafanoharana izay lazaina foana fa hisolo ny praiminisitra dia ao anatin’ny sampam-pitsikolovana Frantsay DGSE, ary mpitsikilo I Paul Rafanoharana izay Paul Maillot no tena anarany, hoy ny resaka novoizina. Karazan’ny efa namaky ady sy nanasoketa an’i Lafrantsa ny Fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta Minisitra ny volana janoary. Ny zoma 30 jolay teo, niresaka momba ilay raharaha famonoana ny Filoha i Lalatiana Rakotondrazafy, ary mbola nanenjika mafy an’I Paul Rafanoharana, saingy tsy dia nanenjika ny Frantsay amin’ny maha Frantsay azy intsony. Nanenina ve ny Fanjakana? “Efa misy olona maty mihitsy ve vao holazaina fa tsy sarimihetsika ny famonoana filoha? (…) Misy Frantsay voatonona, ka hanao sarimihetsika ve ny fitondrana dia hiditra amina zavatra mety hiteraka “incident diplomatique”? hoy I Minisitra io, kanefa ny volana janoary izy no toa efa nanangana ady mivantana na ankolaka tamin’ny Frantsay, ary isan’ny noresahany 7 volana lasa izay ny hoe: tsy tongatonga ho azy ny fihaonan’Atoa Marc Ravalomanana sy Atoa Hery Rajaonarimampianina tany Frantsa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap
19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap