airtel

Politique

15-févr-2022

Politique

Famerenana ny hasin’ny fihavanana Namaly ny antson’ny AKATA ny CFM

Sample post image

Taorian'ny fe-potoana 15 andro nomen'ireo mpandala ny soatoavina malagasy sy ny fomban-drazana tamin'ireo mpitondra eto amin’ny firenena mba handaminana ireo lafin-javatra maro mitranga tsy mifanaraka intsony

15-févr-2022

 amin’izany hoe soatoavina malagasy izany, dia namaly ny antson'izy ireo ny CFM na ny Filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy. Noraisin'ny filohan'ny CFM Maka Alphonse teny amin’ny birao fiasany izy ireo nidinika ny hamahana ny olana misy izay nahitana ny solotenan'ireo mpandala ny fomban-drazana sy soatoavina nahitana ny Fikambanana AKATA notarihin'ny Filohany Rabeviavy Brice sy ny mpitarika ny Fikambanana Marangibato.Nandritra ny fihaonana no nanamafisan'ny Filohan'ny CFM fa izy ireo tokoa no tompon'andraikitra voalohany amin’ny fampihavanana eto amin’ny firenena ka mahatsapa izahay hoy i Maka Alphonse fa manana andraikitra manoloana ny fangatahan'ny mpandala ny fomban-drazana sy soatoavina handamina izay tsy mety.Nahatsapa ihany koa ity filohan'ny CFM ity fa sarotra ny zava-misy iainana eto ami’ny firenena mahakasika ny fanajana izany ny soatoavina Malagasy kanefa tsy dia hita taratra loatra ny tena fandraisan'andraikitra mivantana hataon'ny fanjakana. Noho izany dia vonona ny handray andraikitra ny CFM manomboka izao,tsy izy ireo ihany anefa no tompon'andraikitra amin'izany fandaminana izany hoy hatrany ity filohan'ny CFM ity fa ny rehetra no tokony samy hiara-hientana sy ho sarotiny am famerenana izany hoe tena maha-malagasy izany amin’ny sehatra rehetra!Anisan'ny nasian'ny CFM resaka ihany koa nandritra ity fihaonana teo aminy sy ny solotenan'ireo mpandala ny fomban.drazana sy soatoavina ity ny mikasika ny tambajotran-tserasera facebook izay nambarany fa isan'ny tena manimba ny kolontsaina sy fahendrena Malagasy tokoa ka tokony hanaovana fikaonan-doha manokana mihintsy ny fomba hifehezana azy mba tsy hivaona hoy ny roa tonta!Nanamafy moa ny mpitarika ny fikambanana AKATA Rabeviavy Brice fa efa nandefa fampitandremana tany amin’ny fanjakana mpanatanteraka izy ireo mahakasika io Facebook io ny amin'ny tokony handraisana fanapahan-kevitra hentitra raha tiana ny hiaro sy hampanjaka ny kolontsaintsika eto an-toerana ka hiverenan'ny hasin'ity tanindrazana ity.Tetsy an-kilany moa dia natsidiky ny filohan'ny CFM fa efa namolavola ary manana tetikasa izy ireo hameloman'aina indray ny soatoavina sy fahendrena ary ny tena fihavanana Malagasy!tsapa mantsy hoy hatrany ny Filohan'ity Andrim-panjakana ity fa tsy ny facebook ihany no tompon'antoka amin’ny fanapotenana izay hasin'ny soatoavina sy fahendrena ary fihavanana izay fa eo ihany koa ny ataon'ireo mpanao politika sasantsasany izay tsy mikatsaka afatsy ny tombontsoa hoan'ny tenany manokana ka tsy ijereny intsony ny hafa!nilaza teo anatrehan'izany ny solontenan'ireo mpandala ny fomban-drazana sy soatoavina Malagasy fa vonona hifanome tanana amin’ny CFM amin'ny fitadiavam-bahaolana hanarenana indray ny fahendrena Malagasy sy ny fihavanana!Ny Filohan'ny Fikambanana AKATA,Atoa Rabeviavy Brice manokana moa dia nankasitraka feno ny ezaka sy fandraisana andraikitra nataon'ny filohan'ny CFM tamin'izao fihaonana nikaroham-bahaolana ho soa hoan'ny firenena izao. Nampanantena ny solotenan'ny mpandala ny soatoavina sy fomban-drazana fa vonona hiara-kiasa hatrany am CFM ho an'ny tombontsoa ambonin'ny firenena.
Pati
Legende : Nandritra ny dinika omaly
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap