airtel

Politique

27-déc-2021

Politique

Famonoana an’I Dr Jean Louis “Tsy afaka hanaiky intsony isika fa tsy rariny loatra”

Sample post image

Nampahery ny vady aman-janak'Itompokolahy Jean Louis Randrianantenainjatovo ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny 24 desambra teo,

27-déc-2021

 rehefa nigadona teto Antananarivo nandalo tetsy amin’ny Foiben-toeran’ny Antoko TIM tetsy Bel’Air ny nofo mangatsiakan’ity mpikatroka TIM, vadin’ny filoha lefitry ny TIM sy ny RMDM any Toliara Maître Elisoa Rasoanirina ity. « Tsy maintsy tadiavintsika ny marina, ny marina tsy mba maty ary tsy maintsy mbola hiseho, tsy avelantsika ho raraka an-tany ny ràn'itompokolahy. Manjombona ny andro, mavesatra ny alahelo,na izaho izay mijoro aza tsy hitako izay hitenenana ilay izy.
Mafy amin'ny zanak'olombelona ny hisaraka amin'ny olona tiana, fa Andriamanitra mahay mampionona antsika. Tampoka ny fahalasanan'Iltompokolahy , vokatry ny hetraketraky ny sasany. Noho ny hevitra tsy mitovy no andatsahana ain'olona toy izao. Andriamanitra no tompon'ny aina, fa mbola hotsaraina ireo nahavanon-doza”, hoy I Marc Ravalomanana. “Na inona na inona lazainareo dia resaka politika noho ny hevitra tsy mitovy izao zavamisy izao
Izany no nahavitana naniraka olona sy nanànana sain-dratsy hanalàna ain'olona. Tsy afaka hanaiky an'izany intsony isika fa tsy rariny loatra. Tsy ekentsika izao fa ,noho izaho ve no handatsahana ain'olona. Mitaky ny hanaovana fanadihadiana haingana mba hahalalàna ny marina. Heloka bevava izao. Tsy rariny ka toherinay amin'ny herinay manontolo”, hoy hatrany ny Filoha teo aloha. Nalevina ny faran’ny herinandro teo moa ity Raiamandreny lavon’ny bala noho ny fanafihana ny 23 desambra teo tao Toliara ity.
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap