airtel

Politique

06-déc-2024

Fampiasana « ordonnance »

« Fangalaram-bato mora indrindra efa voaporofon’ny tantara »

Sample post image

Andro vitsy mialohan’ny fifidianana, mbola mametraka ahiahy goavana ny raharaha fanabontsinana

06-déc-2024

ny lisi-pifidianana amin’ny alalan’ny « ordonnance », izay taty amin’ny 04 desambra, herinandro katroka mialohan’ny fifidianana no nifarana ny fakana ny taratasy fanamarinana fa tsy ao anaty lisi-pifidianana hahafahana mangataka ny ordonnance hidirana ao anaty lisitra. Efa nisy ny fangatahana ofisialy ny lisi-pifidianana nataon’ireo antoko sasany ka anisany ny Antoko Tia Tanindrazana tarihin’i Tahina Razafinjoelina, izay nanamafy fa tena zon’ny kandida tanteraka ary anatin’ny fenitra iraisam-pirenena izany. Fanontaniana mipetraka ny hoe : nahoana tamin’ireo fifidianana samihafa teo aloha tsy nisy resaka an’io raha tsy hilaza afatsy ny fifidianana filoham-pirenena farany teo izay fifidianana farantampony eto amin’ny Firenena ? Nandeha ny fifidianana depiote tsy mbola nampiana an’io ? Ho an’ny tombotsoan’iza sy ny antokon’iza marina izany no nanaovana an’io ? « Maloto ny zava-misy amin’izao, ny eo an-tratra tsy lany ny eo asesika ihany. Efa tsy lavorary ny lisi-pifidianana kanefa ny eo asesika ihany. Nisy fotoana efa niadiavana mafy ny hanafoanana an’io lisi-pifidianana io tamin’ny andron’ny AKFM sy PSD », hoy Atoa Laurent Ramaroson mpikamban’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga na ny MMM omaly tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray. Nahitsy ny tenany nilaza fa io fampiasana « ordonnance » io no fangalaram-bato tena mora indrindra. Olona 200 isaky ny birao fandatsaham-bato ohatra, taterina ivelan’Antananarivo, ary izaho nahalala olona, tanàna iray manontolo mpikarama amin’ny « ordonnance » dia io averina indray, hoy ity farany. Nilaza noho izany Atoa Laurent Ramaroson fa inona na inona lazain’ny CENI dia tsy mety ny « ordonnance », efa voatsaran’ny tantara io fa tsy mety,… Ohatran’ny manotrika akoho ka na akoho na lamokany, ka tsy mijanona eo fa tsy maintsy mandeha amin’ny zavatra hafa, hoy Atoa Laurent Ramaroson. Hanao fandaharana manokana hanomezana toromarika samihafa toy ny endrika hala-bato sy ny fomba hiadiana amin’izany moa ny kandida eto Antananarivo Atoa Tahina Razafinjoelina anio, ka dia andrasana izay hambarany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-janv-2025

Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy

Card image cap
17-janv-2025

Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.

Card image cap
17-janv-2025

Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao

Card image cap
17-janv-2025

Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».

Card image cap
17-janv-2025

Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,

Card image cap
17-janv-2025

Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara

Card image cap