airtel

Politique

12-sept-2022

Politique

Fampiroboroana indostrialy Hanohana 14,52 tapitrisa Euros ny BAD

Sample post image

Hanampy ara-bola 14,52 tapitrisa euros an’i Madagasikara ao anatin’ny fanovana ara-indostrialy ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD)

12-sept-2022

amin’ny alalan’ny tetikasa PAISF (Projet d’appui à l’industrialisation et au secteur financier). Haompana kokoa amin’ny fampiroboroboana sy fanohanana ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME), araka ny fampahafantarana nataon’ny BAD. Hanatsara ny tontolo ara-pampiasam-bola tsy miankina amin’ny indostrian’ny fanodidina akora, tahaka ny fanodinana sakafo, lamba. Natao hanohanana sy hanafainganana ny fampiroboroboana ny faritra fampiroboroboana ny ara-indostrialy na ZEI (Zones d’émergence industrielle). Tafiditra indrindra ao anatin’ny ODOF (One District One Factory) rahateo io. Isan’ny hahazo tombony amin’izany ny Fanjakana amin’ny alalan’ny fanamafisana ny lafiny araka ny lalàna ny rafitra misahana ny fampiroboroboana ara-indostrialy sy ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola ataon’ny tsy miankina. Mikendry ny hanamorana ny 3P (Partenariat Public-Privé) ihany koa ity PAISIF ity, izay natao hisintonana ny tsy miankina hiditra an-tsehatra amin’ny fampiroboroboana ara-potondrafitrasa, hoy ny fanamarihana. Hisy ihany koa ny famatsiam-bola mifanindran-dàlana amin’io amin’ny alalan’ny FNDI (Fonds National de Développement Industriel) hanampiana ara-bola ny PME, hoy ny BAD.
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap