tamin’ny vahoaka entiny mikasika ny resaka fanabeazana ao amin’ny faritra iadidiany. Fampanantenana tamin’ny fampielezan-kevitra fifidianana Ben’ny tanana farany teo izany izay manana tanjona hampitombo isa hatrany ireo zaza miditra an-tsekoly amin’ny alalan’ny fananganana foto-drafitrasa mifanaraka amin’izany. Hiady fototra ny EPP vaovao ao Ambohibary izy ireo amin’ny Zoma 28 Jona izao. Ahitana efitrano fianarana miisa telo izy io miaraka amin’ny trano fivoahana sy fidiovana. Vokatry ny fanampian’ny firenena Irlande sy Grande Bretagne no angady nananana sy vy nahitana izany miaraka amin’ny tany izay fantatra fa vaovao ihany koa. Haharitra 3 volana eo ho eo ny asa, tranon-tsekoly kasaina ho afaka handray mpianatra amin’ny taom-pianarana vaovao 2024-2025 ho avy io. Nomarihin’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina moa fa Fokontany miisa 3 ao amin’ny kaominina Ampitatafika sisa no tsy manana EPP dia ny Fokontany Avaratetezana, Ambodizozoro ary Soavimbahoaka. Olan’ny tany no mahatonga ireo Fokontany ireo mbola tsy nahazo ny anjarany fa raha resaka mpamatsy vola mety hahita hatrany ny kaominina.
Pati
Legende : Izy no Rado Ramparaoelina, Ben’ny tananan’Ampitatafika !
Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro
Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina
Efa tany amin’ny taona 1913 no nanomboka ny lalàna momba ny fisaharahan’ny
Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika
Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady
Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.