airtel

Politique

26-juil-2021

Politique

Fanajana ny zon’ireo voarohirohy Miditra an-tsehatra ny Frantsay

Sample post image

Namoaka fanambarana ny Frantsay tamin’ny alalan’ny Quai d'Orsay tamin’ny faran’ny herinandro teo iny, fa afaka mangataka tantsoroka avy amin’ny kaonsilà eto ireo olony voarohirohy tamin’ilay raharaha fikasana

26-juil-2021

 hamono ny Filoha Rajoelina, raha ilain’izy ireo izany. Vonona hanaraka akaiky sy hanohana ireo olony ny Frantsay. Voarain’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Frantsay ny fisamborana ireo olony, ka vonona izy ireo ny hanao ny “assistance consulaire” na fidirana an-tsehatra ara-diplaomatika amin’ny fijerena akaiky ireo voasambotra, araka ny vaovao navoakan’ny Agence Reuters ny zoma lasa teo. Raha ilaina ny “assistance consulaire”, dia azon’ny kaonsilà Frantsay eto Madagasikara atao no mampahafantatra ny manam-pahefana Malagasy fa eo ambany fiarovan’izy ireo ireto Frantsay na Malagasy mizaka ny zom-pirenena Frantsay ireto. Azony atao ihany koa ny mangataka hihaona amin’ireo, ary miantoka ny maha tomombana ny fomba sy ny fepetra fitazonana mifandraika amin’ny lalàna velona eto. Afaka mampiasa mpisolovava ihany koa.
TSY MITSABAKA AMIN’NY FITSARANA
Nambaran’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Frantsay mazava tao amin’ny tranokalany kosa, fa tsy afaka miditra an-tsehatra amin’ny asam-pitsarana mba ahazoan’ireo voarohirohy fahafahana amin’ny maha raharaham-panenjehana manokana tao amin’ny tany na firenena nandray azy ireo”. Marihina kosa fa manana fifandraisana ara-pitsarana I Madagasikara sy Frantsa ka azon’izy ireo atao ny mangataka “extradition” na famindrana azy ireo hotsaraina any Frantsa. Mampahatsiahy ny raharaha Houcine Arfa izay voalaza fa saika hamono ny Filoha, tafatsoaka teto ny taona, nanaovana fifanarahana ara-pitsarana saingy tsy re intsony ny tohiny. Raha ny fanazavan’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka Randrianarison Fanomezantsoa ny herinandro teo, dia misy Malagasy mizaka zom-pirenena vahiny roa voasambotra, ary teratany vahiny iray. Zandary efa misotro ronono tao anatin’ny tafika Frantsay ronono moa I Paul Rafanoraharana sy Philippe François, isan’ireo nosamborina ny 20 jolay. Miditra an-tsehatra ny Frantsay, ka andrasana ny fivoaran’ny raharaha.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap