airtel

Politique

23-juil-2021

Politique

Fanakorontanana etsy sy eroa Nankahery ny filoha ny TGV, Mapar, IRD

Sample post image

Nanao fanambarana goavana omaly ireo vondrona mpiaradia amin’ny filoham-pirenena ankehitriny, toy ny Jeunes Patriotes et Révolutionnaires de Madagascar na JPRM,

23-juil-2021

 nipoitra indray ihany koa ny antoko politika Tanora Gasy Vonona na TGV, ny vondrona politika Mapar, IRK, IRD sy ny hafa rehetra. Manameloka ny fifofoana ny ain'ny filoham-pirenena, ny tsy fanajana ny sata demokratika, ny fanakorontanana ny fampandrosoana, izahay, hoy izy ireo, ary mankahery ny filoham-pirenena sy ny ankohonany. Misy ifandraisany amin’ny resaka fanovana governemanta ve ? Misy ifandraisany amin’ny famonoana ho faty ny filohan’i Haiti farany teo ve na ny fifofoana ny ain’ny filoham-pirenena malianina ihany koa ? Maro ny fanontaniana manitikitika ny saina manoloana ireo tranga hafahafa tato ho ato toy ireny hoe fikasana hamono ny SEG ireny na ny vaky fasana nahazo ny fianakaviana Ravatomanga sy izao resaka fifofoana ny ain’ny filoham-pirenena izao. Ny hita aloha dia mihotakotaka ny tany ary tsy adino ao anatin’izany ihany koa ny raharaha ambalavelona any Andapa. Hahazo alalana ao anatin’izany koa ve ny fivorian’ny mpanohitra izay atao etsy By pass amin’ity anio ity ? Andrasana indray izay hiseho anio.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap