airtel

Politique

29-nov-2022

Politique

Fanamafisana ny demokrasia aty Afrika Nivory tany Panama ny antoko MMM

Sample post image

Teo ambany fitarihan’ny filohan’ny IDC-CDI, Andrés Pastrana, no nanatanterahana ny fivoriana faran’ny komity mpanatanteraky ny IDC-CDI ho an’ity taona 2022 ity, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly.

29-nov-2022

Izany dia natao tao Panama ny sabotsy 26 novambra 2022 teo ary nandraisan'ireo antoko politika maneran-tany maro anjara. Amin’ny maha mpikambana feno ny antoko politika Malagasy miara-miainga ao amin’ny IDC-CDI, dia nisolo tena ny antoko ny filoha nasionalin’ny MMM, Hajo Andrianainarivelo, sy ny loholona Ndriana Michel Rakotondrainibe , izay voafidy tamin’ny anaran’ny MMM teto Antananarivo. Nandritra ity fivoriana ity dia nisy ny fanaovana jery todika mikasika ny toe-draharaha ara-politika sy ara-toekarena misy maneran-tany ary voaresaka matetika tao anatin’ny fifandimbiasam-pitenenana ireo fepetra tokony ho raisina mba hanamafisana ny demokrasia, indrindra, ho an’ny kaontinanta afrikanina sy amerikanina atsimo. Taorian’io fivorian’ny komity mpanatanteraka io dia nisy ihany koa ny atrikasa natokana ho an’ireo tanora ao amin’ny IDC-CDI, izay nitondra ny lohahevitra hoe “How to engage young people in migration governance” na ny fampandraisan’anjara ny tanora amin’ny fitantanana ny fifindra-monina, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap