airtel

Politique

20-oct-2022

Politique

Fanamelohana an’i Rosia Faly amin’ilay latsabaton’i Madagasikara ny Amerikanina

Sample post image

Ny ampitson’ny nanesorana ny Minisitry ny raharaham-bahiny Richard Randriamandranto noho ny fanapahan-kevitra nisafidy ny fanamelohana ny Rosianina no nivoaka ny fanambaran’ny Masoivoho Amerikanina tarihin-dRtoa Claire Pierangelo,

20-oct-2022

maneho fa faly tamin’ny nanamelohan’I Madagasikara sy Kaomoro ny fakan’ny Rosianina ny ampahan-tanin’I Ukraine. "Faly izahay mijoro anilan’ireo firenena miisa 140 hafa manerantany, anisan’izany i Madagasikara sy ny Nosy Kaomoro, izay nisafidy ny hankato ny fehinkevitry ny Firenena Mikambana tamin’ny 12 Oktobra lasa teo ka manohana ny sata mifehy ny Firenena Mikambana momba ny fanajana ny fiandrianam-pirenena ary koa manameloka ny fanafihana nataon’i Rosia an’i Ukraine sy ny fakany tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny ampahan-tanin’i Ukraine.", hoy ny fanambarana. Tsy kisendrasendra ny namoahana azy io taorian’ny fanesoran’ny Filoham-pirenena ny Minisitra Richard Randriamandranto, izay azo adika ho fanohanana ity farany, ary felaka tehamaina ankolaka ho an’ny Filoha Rajoelina. Mety ho mafy sy hihahenjana ny fifandraisan’ny Fitondrana Rajoelina sy ny bekintana manomboka eto. Marihina fa isan’ny olona novolavolain’ny Amerikanina ny minisitra nesorina, nianatra tany amin’ny Oniversiten’I Boston, efa niasa teo anivon’ny sehatra ara-bola iraisam-pirenena,… Raha mitodika kely amin’ny firenen-kafa, tsy isika irery fa I Serbie, ohatra, izay mpandraharaha matanjaka Malagasy dia Atoa Mamy Ravatomanga izay olona akaiky ny Fitondrana Rajoelina no Kaonsily na solontenany eto, dia tsy niandany izy teo aloha, ary nisafidy ny hanameloka an’I Rosia ny 12 oktobra teo. Azo hadika ho famakiana ady sy fanilihana ny Tandrefana, ary fihemorana amin’ny latsa-bato natao ny fanesorana ny Minisitry ny raharaham-bahiny. Hisy ve ny fandefasana taratasy any amin’ny Firenena Mikambana maneho fa mihemotra amin’ny safidiny ary ny Malagasy? Inona no fifanarahana avo lenta nifanaovana tamin’ny Rosianina izay heverina fa misy tombotsoa politika goavana matoa sahy niditra amin’ny “scandale diplomatique” goavana higagan’izao tontolo izao? Misy ny fifanarahana ara-miaramila amin’I Rosia natao ny martsa 2022 nialohavana dian’ny Minisitry ny fiarovana tany Rosia, teo ny fanambaran’ny Rosianina fa manohana an’I Madagasikara amin’ny fitakiana ny Îles Eparses,… Ireo izay tsy mahafaly ny Tandrefana. Tena ireo ve no mahatonga ny mpitondra nanameloka ny Minisitry ny raharaham-bahiny? Sa kosa misy tombotsoa goavana toy ny fampanatenana fanohanana goavana ara-bola sy ara-pitaovana amin’ny fifidianana 2023? Etsy andaniny anefa, voalaza fa miezaka manatsara sary sy fifandraisana amin’I Lafrantsa sy ny Tandrefana ary mahavita manaraka “cabinet” hanao izany hatrany amin’ny 700 000Euros, manao pi-maso amin’ny mpamatsy vola sy mpandraharaha avy amin’ny Tandrefana,…
TARATRY NY 2023…
Ho sarotra ny ho fihodin’ny diplaomasia sy ny jeopolitika, raha tarafina amin’izao eto Madagasikara izao, ary mety ho hita taratra amin’ny fifidianana 2023 io, mety ho kianja politika hifandroritan’ny Tandrefana sy ny Rosianina indray eto Madagasikara amin’ny alalan’ireo kandida izay mety samy hanana ny mpanohana azy avy any ivelany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap