airtel

Politique

09-mars-2021

Politique

Fanangonan-tsonia fanalana ny Filoha 564 no vitan’ny RMDM Diaspora hatreto

Sample post image

Miisa 564 ny sonia voaangon’ny RMDM Diaspora, mitaky ny hialan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny ekipany.

09-mars-2021

 

 

 

 Nanomboka ny 21 febroary no nanaovan’izy ireo an’io, ary kendrena ho tonga 1000 io amin’ity herinandro ity. Manitrikitrika izy ireo fa tamin’ny alàlan’ny hala-bato no nakana ny fahefana, ary ny mba tsy isian’ny korontana no namelana azy hitondra. Ny 28 febroary 2020, niaiky ny fisiana « doublon » amin’ny lisi-pifidianana miisa 1.162.512 ny Filoha lefitry ny CENI, hoy ny RMDM Diaspora. Hitrikitrihan’izy ireo ny fisiana fampidirana fitaovam-piadiana, fony kandida i Andry Rajoelina, kanefa melohin’ny lalàna velona iraisam-pirenena nosoniavin’i Madagasikara, izany toe-javatra izany. Maro ihany koa ny fanitsakitsahana lalàmpanorenana, toy ny fanendrena Governora sy ny saika nanafoanana ny Antenimierandoholona. Tsy voafehy ny fivoahan’ny harem-pirenena, toy ny volamena 73,5kg. Maro ny kolikoly avo lenta, toy ny raharaha « écran plat » mahasaringotra ny minisitry ny Atitany mivady,… Tondron’izy ireo ho fanjakana jadona mpanagadra olona fahatany ihany koa ny Fanjakana Rajoelina, ankoatra ny fanamelohana tamina herisetra niteraka faty olona. Mety hisy akony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fihetsiky ny Malagasy mpila ravinahitra tahaka izao.

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap