airtel

Politique

02-sept-2022

Politique

Fanantenana FAFI 5 “Hanampy hividy fitaovam-pianarana mora”

Sample post image

Amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao dia misokatra indray ny tsena Fanantenanana eny Ambohimirary ary mivarotra fitaovam-pianarana mirary araka ny fahefa-mividin’ny ray aman-dreny eny amin’ny boriboritany fahadimy

02-sept-2022

izay tarihin’i Hanitriniala Raholdina, filohan’ny fikambanana mpanao asa soa Fanantenana FAFI 5, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. Afaka mividy fitaovam-pianarana mora eny Ambohimirary avokoa na ny sahirana na ny tsy sahirana, hoy ity filohan’ny FAFI 5 ity, rehefa mitondra karinem-pokontana manamarina fa eny amin’ny boriborintany fahadimy no misy azy. Ahitana kahie, boky, kitapo, fitaovam-pianarana samihafa amin’ny vidiny mirary araka ny fahefa-mividin’ny tsirairay ny tsena, hoy izy. Ireo ray aman-dreny tena sahirana mahantra moa dia efa notolorana fanomezana fitaovam-pianarana maimaimpoana mba hahafahany mampianatra ny zanany araka ilay filamatry ny Fanantenanana FAFI 5 hoe miaro sy manasoa vahoaka ». Efa an-taonany maro no nisian’ny tsena ary efa zatra miandry ny fisokafan’ny tsena ireo ray aman-dreny vao mividy ny fitaovam-pianaran’ny mpianatra. Tsy ny manampy amin’ny fidiran’ny mpianatra ihany no sahanin’ny fikambanana fa manala fahasahiranan’ny ray aman-drenin’ny boriborintany fahadimy hatrany toy ny fanaovana didim-poitra ho an’ny ankizy miisa amam-jatony izay tsy vao ela akory satria filamatra ny hoe “Aza manao kely tsy mba mamindro!”, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija  

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap