airtel

Politique

13-déc-2021

Politique

Fanapahan-kevitra mitanila Nokian-dRakotovao mafy ny Prefen’Antananarivo

Sample post image

Nampahatsiahy ny tantara momba ny fihetsiky ny Prefen’Antananarivo ankehitriny Jeneraly Jean Ravelonarivo izay izy ireo no nametraka azy tamin’ny fotoan’androny ny Mpandrindra Nasionalin’ny Antoko HVM ny sabotsy lasa teo.

13-déc-2021

 Notsipihiny fa tsy ilay olona loatra no tiana horesahina, fa ny fomba fiasany, ka niresahany ny zava-niseho teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny namoretana ireo mpanjifa sy mpaneho hevitra ny zoma 10 desambra teo. “Raha tamin’ny 2018, rehefa notenina ny Prefen’Antananarivo hoe: ahoana ireo olona mibodo sy manakan-dàlana ao amin’ny Kianjan’ny 13 mey ireo, raiso ny andraikitrao handaminana an’izany satria efa lany ny taratasy nanomezana ireo olona ireo ho eo amin’ny 13 mey. Mbola io olona io ihany no namaly tamin’izany hoe: avelao ny vahoaka hiteny ny marary azy, ary mbola io izy io, izahay nanatrika an’izany”, hoy I Rivo Rakotovao. “Izaho nanontany azy, hoe: misy tsy fanarahan-dalàna anie ao, saingy ny setriny dia hoe: fa ahoana prezida, aleo ny olona mba haneho ny fahasosorany kosa, hany ka tsy naka “requisition” izy ho an’ny mpitandro ny filaminana, ary nipetraka tany anaty lakazeriny ny mpitandro ny filaminana”, hoy Atoa Rivo Rakotovao nanamafy. Rehefa halalinina io tenin-dRakotovao Rivo io dia toa midika ny zava-misy, fa ny hetsika politika niendrika fanonganam-panjakana tamin’izany navelan’ny Prefen’Antananarivo handeha malalaka, fa ny madinika maneho ny heviny, mampiseho amin’ny fitondrana fa mijaly sy sahirana amin’ny vidim-piainana tokony hovahan’ny Fanjakana foretina, ary mifidifidy tavan’olona sy lasa fitaovana politika ny Prefe. “Tsy mba nampiasa ny heriny ny Filoha teo aloha Rajaonarimampianina, ka nanome baiko hoe tsy maintsy ravana io, izay no tsy hitovizantsika, mety fahalemena, fa fitiavan-tanindrazana izany, fa hanandratra amin’ny ho avy”, hoy Atoa Rivo Rakotovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap