airtel

Politique

15-févr-2022

Politique

Fandrafetana governemanta Ho sahirana tanteraka i Rajoelina

Sample post image

Na ho ela na ho haingana, tsy maintsy hiroso amin’ny fanamboarana governamanta ny Filoha Rajoelina na vao ny volana janoary lasa teo aza no nilaza fa tsy voatery ho vahaolana foana ny manolo minisitra.

15-févr-2022

 Toerana roa no banga ao anatin’ny governemanta amin’izao fotoana izao, dia ny Minisiteran’ny harena ankibon’ny tany izay efa 6 volana izao no niandraketan’ny Praiminisitra vonjimaika. Minisitera stratejika be io, ary tao anatin’ny tsy nisian’ny Minisitra no toa nandeha be ny trafikana harena an-kibon’ny tany izay nisy trafika goavana telo: ny 22kg mahery tratra tany Seychelles, ny 49 kg tatsy Kaomoro izay toa narirarira fa tsy fantatra marina ny fihaviany na avy eto na tsia, ny safira 925 grama teny Ivato,… Ny minisitry ny fitsarana teo aloha aza moa dia sahy nilaza fa volamena 2 taonina no mbola nokasaina haondrana teto. Banga ihany koa io ny toeran’ny minisitry ny fitsarana izay isan’ireo minisitera dimy mariky ny fiandrianam-pirenana (Fitsarana, vola, tafika, raharaham-bahiny, atitany). Tsy ho afaka holalaovina ela io, fa tsy maintsy tendrena haingana izay hiandraikitra azy.
MIFANIPAKA TOY NY VALALA AN-KARONA
Tsy ireo minisitera roa ireo ihany no olana, fa ny governemanta manontolo no toa tsy miray hina intsony. Misy mifandetika sy mifanontsana, ankoatra ireny efa miharihary ireny hoe: ny samy ao anaty minisitera aza mifandramatra. “Fiainana manokana na “vie privée” miparitaka, “scandales”, minisitra lefitra miady amina minisitra, tsy fahaiza-mitantana isan-karazany,… Maro loatra ny zavatra tsy manjary miseho masoandro ato anatin’ity firenena ity”, hoy ny olom-boafidy iray ny herinandro lasa teo. Matoa ireny mivoaka dia ry zareo mpiara-miasa avy ao anatin’ny “camp” iray ihany no mamoaka ireny, izany hoe mifanipaka an-karona ny samy ao anaty fitondrana. Ny dikan’izany, dia miroso makany amin’ny fahasahiranana ka tokony hisy fandraisana andraikitra goavana sy hentitra ary haingana horaisin’ny lehiben’ireo olona mifanipaka an-karona ireo, hoy io olom-boafidy io. Misy olona miteraka resabe toa tsy sasatry ny manangam-pahavahavalo ao anaty governemanta, ary mahavita milaza fa vatolampy azo handihizana io minisitra io sy ny minisiterany, araka ny tenin’ny vadiny. Na ireo mpomba ny Filoha sasany aza tezitra. Manahirana ny governemanta satria misy olona na manao “scandales” efa mihoatra ny 30 aza tsy voakitika satria mety mandrahona hamoaka ny tsiambaratelon’ny Filoha, fa misy ny tsy hananana henamaso, hoy ny fanehoan-kevitra. Ny sasany indray toa misitrika tsy ho te ho ratsy, mety miaro ny rambony tsy ho tapaka angamba, hany ka misy tsy fantatry ny olom-pirenena firy. Ao indray ny malaza ratsy amin’ny resaka fitondran-tena toy ilay minisitra nisy namoaka ny teny ratsy variraraka sy teny mamoafady nataony kanefa hoe : tsy mahay miteny Malagasy. Ao ny mampiseho an-tsary fa miasa, saingy mbola betsaka ny fitarainam-bahoaka na an-tsaha na an-tanàna toy io resaka fitsaram-bahoaka io,… Lojika eo anatrehan’ny zava-misy ny tokony hisian’ny fanovana lehibe, saingy ho sahiran-tsaina indray ingahy Filoha ? Asa hanao ahoana indray ny tohiny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap